· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2018

Amerika Latina: ny mpivaromandeha any anaty bisy

  26 Mey 2018

Hita any amin'ny tanàndehibe rehetra any Amerika Latina ity fisehoan-javatra manaraka ity. Ao an-tanàndehibe, miakatra anaty bisy ny olona iray, na tanora na antitra, na lehilahy na vehivavy, miditra vetivety ao anaty fiara, misaotra ny mpamily namela azy ary avy eo mandeha amin'ny lalantsara mba hampiseho ny entany amin'ny mpandeha......

Goatemalà: Oram-batravatra Sy Tondradrano Namely Ireo Tena Fadiranovana

  25 Mey 2018

Mampalahelo ny mamaky ny momba ny karazana loza voajanahary tahaka izao isantaona ary dia tratra foana ny faritra sasany. Mandritra izany fotoana izany, tsy misy fepetra, na kely aza, na politikam-panjakana napetraka mba hilazàna mialoha ny ho fahavoazana. Midangana be anefa ny sandany : famoizana ain'olona, trano, vokatra lasan'ny rano tondraka

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

  24 Mey 2018

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Kostà Rikà: Fifanolanana mikasika ny fahaleovantenan'ny oniversite UCR

  24 Mey 2018

Tamin'ny 12 Aprily 2010, fara fahakeliny polisy manamboninahitra 60 avy amin'ny Sampana mpanao Fanadihadiana ara-pitsarana Kosta Rikana (OIJ raha hafohezina amin'ny teny Espaniôla) sy mpikambana ao amin'ny polisy no tonga tao amin'ny Oniversiten'i Kosta Rika (UCR) mba hisambotra manamboninahitra misahana ny fifamoivoizana ao amin'ny toby, izay voampanga ho nanao kolikoly.