(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Tamin'ny 12 Aprily 2010, fara fahakeliny polisy manamboninahitra 60 avy amin'ny Sampana mpanao Fanadihadiana ara-pitsarana Kosta Rikana (OIJ raha hafohezina amin'ny teny Espaniôla) sy mpikambana ao amin'ny polisy no tonga tao amin'ny Oniversiten'i Kosta Rika(UCR) mba hisambotra manamboninahitra misahana ny fifamoivoizana ao amin'ny campus (toby), izay voampanga ho nanao kolikoly. Na dia izany aza, nilaza ireo mpikambana ao amin'ny oniversite, anisan'izany ny mpianatra sy ny sampana fa manohitra ny sata fahaleovantenan'ny oniversite ity fikasana fisamborana ity. Araka ny Lalàmpanorenana Kosta Rikana, ny andininy faha-84:
La Universidad de Costa Rica es una institución de cultura superior que goza de independencia para el desempeño de sus funciones y de plena capacidad jurídica para adquirir derechos y contraer obligaciones, así como para darse su organización y gobierno propios. Las demás instituciones de educación superior universitaria del Estado tendrán la misma independencia funcional e igual capacidad jurídica que la Universidad de Costa Rica. El Estado dotará de patrimonio propio y colaborará en su financiación.
Mifototra amin'io fanadihadiana io, nanakana ny fidiran'ny polisy tao amin'ny tokotanim-pianarana ny mpianatra sy mpampianatra sasany, ka nitarika fifandonana. Vokatr'izany, mpianatra maromaro no naratra ary nentina tany amin'ny hopitaly ny sasany. Nisy mpampianatra sôsiôlôjia iray naratra mafy ary tapa-taolana. Taorian'ny fisamborana mpampianatra sy mpianatra sasany, napetraka ny komity iray mba hangataka ny famotsorana azy ireo, ary nikarakara diabe ny tompon'andraikitry ny UCR, izay nitarika ny famotsorana azy ireo.
Lahatsary avy amin'ny Habla Costa Rica:
Taorian'ny famotsorana azy ireo, dia mpianatra maro no nanohy ny hetsi-panoherana tamin'ny fanakanana ny lalana lehibe eo anoloan'ny Sekolin'ny Lalàna, mitaky ny fiarovana ny fahaleovantenan'ny oniversite. Niezaka nifampiraharaha tamin'ireo mpianatra ny polisy, saingy tsy nisy valiny mahafa-po. Noho ireo antony ireo, nanana hevitra samihafa ny bilaogera, tahaka an'i Simón Avilés ao amin'ny bilaogy Deme un Campo [es] (Omeo sehatra aho):
La policía busca a un delincuente y comete el gravísimo error de entrar armada a la fuerza en la Universidad. Al tiempo que se defiende la autonomía, se refuerza la caraja idea de que en la UCR “sólo buscan pelear”, y dejamos que nos califiquen como un reguero de “majaderos violentos”. Yo repudio todas las formas de violencia, acá las de la policía y las de los miembros de la comunidad universitaria involucrados. Ambos comportamientos son reprochables, y a mi manera de ver, principalmente el del OIJ, culpables iniciales de la revuelta.
Ankoatra izany, tsy miombon-kevitra ny olona sasany mikasika ny fiarovan'ny fiarahamonin'ny oniversite ny fahaleovan-tenan'izy ireo, tahaka ilay mpanoratra ao amin'ny bilaogy He Dicho [es] (Nilaza aho) izay nanontany tena hoe nahoana ny mpianatra sy ny mpampianatra sasany no nanakana ny polisy tsy hisambotra manampahefana mpanao kolikoly, nanontany hoe “Iza no tohanan'ny manampahefan'ny oniversite? any amin'ny jiolahy?
En este país todos estamos en contra de la violencia, de la corrupción, y a favor del respeto de los derechos de todos los ciudadanos, pero existen personas que en nombre de una institución donde existe una mayoría que no los apoya, violan los derechos de otros, y usan la violencia en un lugar donde en buen principio asisten a cultivar su intelecto. Desde este blog expreso mi más grande repudio hacia los que utilizan la violencia como medio de expresión, y mi más sincero ASCO hacia esas personas que sienten que sus derechos valen más, por lo que con tal de hacer “valer sus derechos” o luchar por sus “ideales” pisotean los derechos fundamentales de todos los demás.
Nanokatra adihevitra indray momba ny dikan'ny fahaleovantenan'ny onivesite ity fifandonana ity, ary nilaza ireo mpanadihady sasany momba ny lalàna fa misy ny fahasamihafana eo amin'ny fahaleovantena sy ny fiandrianana [es]. Na izany aza, maro no miombon-kevitra fa tsy mamaha velively ny fifandirana eo amin'ny olom-pirenena sy ny governemanta ny herisetra.