· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2011

Kolombia: Mitohy Mitokona Ireo Anjerimanontolo Ho Fanoherana Ny Lalàna 30

  04 Novambra 2011

Mbola mitohy mitokona ireo Kolombiana mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo ho fanoherana ny fanavaozana ny Lalàna 30. Miteny ry zareo fa ilay fanavaozana dia hampanjary ho tsy miankina ireo anjerimanontolom-panjakana, ary manindry fa tsy hiverina an-dakilasy mihitsy raha tsy voasintona eny amin'ny Kaongresy ilay tolo-dalàna.

Kolombia : Fifidianam-Paritra 2011

  02 Novambra 2011

Ny Alahady 30 oktobra 2001 no natao tao Kolombia ny fifidianam-paritra [teny espaniola] hanendrena izay ho olom-boafidy amin'ny fitantanana raharaham-bahoaka eny ifotony : governora, antenimieram-paritra, ben'ny tanàna, mpanolontsain'ny tanàna, ary ny antenimieran'ireo mpitantan-draharaha eny an-toerana. Arakaraky ny lanjan'ny toerana hofenoina, arahamaso akaiky ireny fifidianana ireny toy ny fanarahana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mailo tanteraka ny vahoaka mikasika io teboka io, ary izany dia tsapa hatranyt anaty fampahalalam-baovaon'olon-tsotra rehetra any sy eny amin'ny tambajotra sosialy.

Meksika: Miadihevitra Momba Ny Famerenana ny Fifidianana

  02 Novambra 2011

Tao anatin'ny herinandro, niadihevitra momba ny fanavaozana politika ny Antenimieram-pirenena, izay araka ny hevitr'ireo mankatò izany fepetra izany, fa hanova ny fitsipika momba ny fanaovana politika Meksikana ary hampisy fifandanjam-pahefana bebe kokoa hanome vahana ny olom-pirenena. Tamin'ny 25 Oktobra 2011, taorian'ny fandalovan'izany tao amin'ny vaomieran'ny Antenimierampirenana Iray, dia niadian-kevitra tanteraka ny...