Tao anatin'ny herinandro, niadihevitra momba ny fanavaozana politika ny Antenimieram-pirenena, izay araka ny hevitr'ireo mankatò izany fepetra izany, fa hanova ny fitsipika momba ny fanaovana politika Meksikana ary hampisy fifandanjam-pahefana bebe kokoa hanome vahana ny olom-pirenena.
Tamin'ny 25 Oktobra 2011, taorian'ny fandalovan'izany tao amin'ny vaomieran'ny Antenimierampirenana Iray, dia niadian-kevitra tanteraka ny volavolan-kevitra. Na dia izany aza, fantatr'ireo mpanohana ny tolo-kevitra fa tsy mafonja araka izay tadiavina ny singa ahafahana mandresy lahatra, tahaka ny famerenana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanao lalàna, ary ny “fanapahana ny fotoam-piasana”, fantatry ny maro kokoa amin'ny hoe famerenana ny fifidianana.
Ity hevitra farany ity no niadian-kevitra mafana tao amin'ny Antenimiera sy tamin'ny valantserasera tamin'ny 25 Oktobra.
Misy akony lehibe eo amin'ny fiarahamonina ny mety hanatontosana ny famerenana ny fifidianana, fiarahamonina izay mahatsiaro voatohitohina avy etsy sy eroa hatrany ary mahatsiaro ho tsy mba manana solontena, araka ny nolazain'i Omar Bello (@Think_Omy):
Pido #RevocaciondeMandato para #JavierDuarte el peor inicio de un gobierno estatal en #Mexico #VerFollow #InfoVeracruz
Tsy nankatoavin'ireo vondrona solombavambahoaka avy amin'ny Antoko Revolisioneram-panjakana (Parti Révolutionnaire Institutionnel) (PRI), ny Antoko Mpiaro ny Tontolo Iainana Maitso ao Meksika (PVEM), ary ny Antokom-Piarahana Vaovao (PANAL) ny tolo-kevitra. Noraisin'ny maro ho toy ny esoeso izany, satria efa nisy ny dokambarotra nataon'ny PRI mba hiantsony azy hoe “Ny PRI vaovao” ka miara-dalana amin'ny hevi-baovao sy fitantanana vaovao, Jorge Arturo Aguilar (@Jorge_GuitarP) nanoratra hoe:
En el #nuevoPRI no queremos #cosasnuevas que afecten nuestros viejos intereses aunque beneficien los de ustedes” #RevocacionDeMandato
Sandra GLG (@sandybell08) nametraka fanontaniana izay manitikitika ihany koa ireo Meksikana maromaro:
Si no tienen miedo de los ciudadanos y están seguros de su “buen” trabajo xq no aprueban #RevocacionDeMandato ?? #YoMePregunto
Ary nofaranan'i Doctora (@doctora) toy izao izany:
¿Cómo hemos podido mantener una clase política tan podrida, tan cínica y tan insensible por tanto tiempo? #RevocacionDeMandato
Nanomboka mitriatra ny firaisana nananan'ny antoko PRI nandritra ny adihevitra teo aloha raha manomboka misintaka amin'ny hevitra ijoroan'ny antoko ny solombavambahoaka sasantsasany araka izay asongadin'i Maite Azuela (@maiteazuela) hoe:
3 diputados #PRI votaron a favor de revocación de mandato Miguel García Granados, Manuel García Corpus y Ricardo Abued cc @salcamarena
Nofehezin'i José Merino (@PPMerino) tamim-bazivazy ny toe-draharaha:
Querid@s votantes, les negamos tener una democracia representativa en la que uds importen. Voten por nosotros en 2012. Atte, PRI-PVEM-PANAL
Jesús Robles Maloof (@roblesmaloof), nanasongadina, tamin'ity fanamarihany nataony ity :
Podemos apoyar a un partido, a otro o a ninguno, lo que no podemos permitir es que sigan concentrando tanto poder. #RevocaciondeMandato
YONOFUI (@Yonofui) iray amin'ireo mpiserasera manohana ity fanovana ity, taorian'ny adihevitra mafana tao amin'ny Antenimieram-pirenena, nandefa hafatra ho an'ny tsirairay izy mialoha ny hatoriany:
Creo que lograremos que MX de ese paso hacia adelante, nos va a costar trabajo, pero es muy posible
1 hevitra