Ny Alahady 30 oktobra 2001 no natao tao Kolombia ny fifidianam-paritra [teny espaniola] hanendrena izay ho olom-boafidy amin'ny fitantanana raharaham-bahoaka eny ifotony : governora, antenimieram-paritra, ben'ny tanàna, mpanolontsain'ny tanàna, ary ny antenimieran'ireo mpitantan-draharaha eny an-toerana.
I Kolombia dia voatsinjara ho fari-pitantanana ahitàna departemanta 32 (ivondronan'ireo kaominina) eo ambany fitantananà governora iray. Ireny departemanta ireny tsirairay avy dia samy manana Antenimiera departemantaly, ary ny kaominina isan'isany (antsoina hoe ‘municipalité’ na tanàn-dehibe arakaraka ny isan'ny mponina ao aminy) dia manana ben-ny tanàna iray sy mpanolotsaina maro izay misahana indrindra indrindra ny zava-mitranga ao anivon'ilay Kaominina, sy antenimieran'ireo mpitantan-draharaha eo an-toerana izay misolotena ireo vakim-paritra.
Arakaraky ny lanjan'ny toerana hofenoina, arahamaso akaiky ireny fifidianana ireny toy ny fanarahana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mailo tanteraka ny vahoaka mikasika io teboka io, ary izany dia tsapa hatrany anaty fampahalalam-baovaon'olon-tsotra rehetra any sy eny amin'ny tambajotra sosialy.
Betsaka no nanentana handeha hifidy, tsy miankina amin'izay ho mpirotsaka na antoko politika manana ny firehany [ny siokantsera rehetra ao anatin'ity lahatsoratra ity dia amin'ny teny Espaniola avokoa].
Avy any ivelany, manoratra i RosaCris (@rosacris) :
Cada voto es importante. Por eso mi colombianitis. Es la primera vez q no votaré. Aprendizajes para la próxima q esté fuera del país. Iré…
Ary ilay mpanao gazety anaty aterineto, Juan Martín (@juamac) nandefa ny hoe :
A menos de dos horas para que finalice la jornada electoral, ¿ya votaron? #Yocuidomivoto

Foibe fandraharahana La Alpujarra, toerana iaingàn'ny fitantanana ny Departemantan'ny 'Antioquia sy ny Kaominin'i Medellín. Sary an'i Sekretarian'ny Fitaterana sty ny Fifamoivoizana ao Medellín (CC BY 2.0)
Misy vaovao miparitaka tsy mitsahatra amin'ny finday mba hiampangàna ireo tsy fetezana hita, ary ny tranonkala Pilas con el voto dia namoaka anaty aterineto ny tatitra manaraka ny zava-misy avy amin'ny vaovao alefan'ireo olom-pirenena.
Víctor Solano (@solano), bilaogera sady mpanao gazety, dia nilaza avy any Bogotá :
Línea gratuita para reportar irregularidades durante #VotoCo: 018000912005
Raha i PAPpereza (@papereza) kosa nampahafatatra hoe :
Por ahora Antioquia le gana al país en materia de irregularidades electorales denunciadas en Pilas Con El Voto
Olom-pirenena vitsivitsy no namoaka ny tatitra momba izay hita sy niainany, rehefa nifàrana iny andro iny.
Carlos A. Ramirez (@Caligular) niteny hoe :
Muy tranquilas y con buena asistencia las votaciones en el centro occidente de Medellín. Una ligera lluvia humedece el final de la jornada.
Ary i Comunicacion Wiki (@Wikiperiodismo) nitatitra hoe :
Largas filas se registran en algunos puestos de votación en Cali, el invierno azota el norte del Valle y relativa normal del órden público
Misy fandinihana hafa nivoaka nandritra ny fikatonan'ny biraom-pifidianana, tahaka ny an'i Luis Alirio Calle (@LuisAlirioCalle), momba ny fividianana vatom-pifidianana :
El problema del mundo no es de cositas, de regalitos, de empleítos. El problema del mundo es de conciencia.
Avy any Medellín, Juan Mosquera (@lluevelove) dia nanambara fa :
Son los que han decidido que su voto no tiene precio los que harán la diferencia al final del día.
Ny sasany nampahafantatra ny fanehoan-keviny nandritra ny fotoana nanombohan'ny fanisàna vato, toa an'i Carlos Correa Cano (@kloscorrea) :
Por favor pueblo colombiano no le vamos a echar la culpa a Dios… El abstencionismo y los elegidos es culpa nuestra.
Nampitahainy tamin'ny baolina kitra, M. Arias (@chori) niteny hoe :
Oir resultados de elecciones me genera la misma sensacion que ver penaltis, pero más larga. Que cosa maluca.
Raigohead (@raigohead) dia nandefa fampitandremana iray avy any Medellin :
Tengan miedo. Mucho Miedo.
Avy any amin'io tanàna io ihany, Perla Toro (@PerlaToro) dia nanoratra nandritra ny fanambaràna ny fahalaniana ho ben'ny tanàna lany tao Bogotá sy Medellín [teny espaniola], ny mpirotsaka Gustavo Petro sy Aníbal Gaviria :
Dios existe y al pueblo le queda gente honesta. #elecciones2011
Angel, avy amin'ny bilaogy PC Web, dia mizara ny kiana avy aminy [teny espaniola] :
Era impresionante cómo los “placeros” (aludiendo al parecido con los vendedores ambulantes de las plazas, los que venden aguacates, gafas y cosas por el estilo) de los partidos se abalanzaban sobre los electores para inducirlos a votar por sus candidatos.
Ary manohy izy amin'ny fametrahana fanontaniana mikasika ny tsy fisian'ny fifidianana amin'ny fomba elektronika ao Kolombia :
Independientemente de los votos recogidos el día de hoy ciudad por ciudad en Colombia, creo que ya es hora (hace mucho rato es hora) de estar manejando el voto sistematizado, sin tarjetones de papel, sin tanto personal en las mesas, es más, uno debería poder hacerlo desde su casa si así lo prefiriera como elector, siempre y cuando valide su cédula, su huella digital y/o su rostro en el sistema para evitar suplantación de identidad. Pero no, aquí en este país de lentos en términos digitales, prefieren despilfarrar millonadas en tarjetones, personal supernumerario, jurados, testigos, etc. y no invertir en tecnología de punta que agilice procesos y les de transparencia.
Nisy antso iray ihany koa nalefa tamin'ny alàlan'ny Facebook [teny espaniola] mba hametrahana biletà iray milaza hoe « Tsia amin'ny fanavaozana ny lalàna 30 », ka ny tanjona amin'izany dia ny hisarika ny saina amin'ny fanavaozana ny fampianarana ambony [teny espaniola] nataon'ny governemanta amin'izao fotoana.
Ny zava-tsy nampoizina ho an'iny andro iny dia ny fandresen'ny vato fotsy tao amin'ny kaominina Bello (departemantan'i Antioquia) izay tsy maintsy hamerina ny fifidianana [teny espaniola].
Ho famintinana, fandinika iray avy amin'i Ana Vallejo (@anavallejoc) :
Lo que creo es que nos preocupamos el dia de elecciones y luego no hacemos control ciudadano para que las promesas sean cumplidas.
Azo atao ny manaraka [teny espaniola] ny fanehoan-kevitra momba ireo fifidianana ireo amin'ny tenifototra #elecciones2011 sy #VotoCo.