Ny Zavakanto Shiliana Amin'ny Alàlan'ny Bilaogy

(Marihina fa tamin'ny 21 Martsa 2006 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)
Trabajo de Victor Castillo

Asakanton'i Víctor Castillo

Nahita ny fomba hampidirana ny asany ao Shily sy any amin'ny tsena vaovao tamin'ny alàlan'ny bilaogy ireo artista Shiliana. Bilaogy iray manana ny fifantenana ny mpanakanto Shiliana maoderina ny Bitacora del Artista (ES). Hita ao avokoa ny sehatry ny zavakanto rehetra. Nandefa sary maromaro ny Tropicaltoxic, nanome fanavaozam-baovao momba ny toeran'ny zavakanto manerana an'i Shily i Sergio Lay (ES) ary nampiseho ny fampirantiany farany tao Shily i Victor Castillo (ES) (mipetraka any Barcelone izy ). Manana bilaogy amin'ny vondrona kely ihany koa ity karazana ity, toy ny La Perrera (ES). Tobin'ny alika ampiasaina amin'ny fampirantiana  ny karazana fanehoana ny zavakanto rehetra ankehitriny ny “La Perrera”. Ao afovoan'ny renivohitr'i Santiago no no misy azy.  Namoaka ny sanganasany sy ny heviny ara-tsosialy tao amin'ny La Nueva Gráfica Chilena (ES) ny fikambanan'ny mpanakanto vao misondrotra. Navoaka ato amin'ity bilaogy ity ny vaovao momba ny sehatry ny zavakanto , ny fampirantiana , ny sary sy ny fanehoan-kevitra momba ny olana ara-tsosialy avy amin'ny fomba fijerin'ny mpanakanto.

Nanomboka ny bilaogy ireo mpanakanto mahaleontena hafa. Mandefa tsy tapaka ny sanganasany sy ny ahiahiny ara-javakanto i Sebastián Garretón, Carlos Osorio ary Carmen Valle .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.