Mpanao Gazety Vehivavy Miampanga An'ilay Rosiana Mpanao Lalàna Malaza Ho Manao Fanorisorenana Ara-nofo, Tohanan'ny Depiote Namany Anefa Izy

Leonid Slutsky, mpanao lalàna Rosiana malaza, nampangain'ireo mpanao gazety vehivavy ho manao fanorisorenana ara-nofo. Sary avy amin'i A. Savin, Wikicommons CC BY-SA 3.0

Andro maromaro talohan'ny 8 martsa, Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy, mpanao gazety vehivavy telo farafahakeliny no niampanga an'i Leonid Slutsky (tononina hoe Sloo-tski), mpikambana malaza ao amin'ny parlemanta, ho manao fanorisorenana ara-nofo. Na izany aza, manohana azy ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa aminy ara-politika, misy vehivavy amin'izany.

Mpanao lalàna menavazana, eo amin'ny fe-potoam-piasany fahadimy misesy ao amin'ny Duma, sady mpikambana ao amin'ny antoko Demaokraty Liberaly (Rosia) ankavanana mpandrendri-bahoaka i Leonid Slutsky, mpikambana ao amin'ny “Duma”-m-panjakana (antenimieram-pirenena ao amin'ny parlemanta Rosiana).

Lehiben'ny komity misahana ny raharaham-bahiny ao amin'ny parlemanta i Slutsky amin'izao fotoana izao ary efa niasa ho filoha lefitry ny delegasiona Rosiana tao amin'ny Antenimieran'ny Filankevitr'i Eoropa (PACE) mandra-pialan'i Rosia tsy ho mpikambana tao amin'ny antenimiera tamin'ny taona 2016.

Nilaza ampahibemaso fa lasibatr'i Slutsky i Daria Zhuk avy ao amin'ny fahitalavitra tsy miankina Dozhd, sy Ekaterina Kotrikadze avy ao amin'ny RTVi, ary i Farida Rustamova (BBC Rosiana):

Niampanga ampahibemaso an'i Leonid Slutsky ho manao fanorisorenana ara-nofo ilay mpanao gazety ao amin'ny BBC Rosia, Farida Rustamova. Avy ao amin'ny Antoko Demaokratika Liberaly, sady lehiben'ny komitin'ny fifandraisana iraisam-pirenena i Leonid .

Niteraka Fanohanana avy amin'ireo depiote mpiara miasa aminy ny fiampangana fanorisorenana ara-nofo 

Voalaza fa nasain'i Slutsky ho ao amin'ny biraony ao amin'ny Duma ireo mpanao gazety satria mody milaza izy fa hanome valandresaka kanefa nanao fanamarihana tsy araka ny tokony ho izy na fikasihana ara-batana. Namoaka ny dikantsoratra tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'i Slutsky i Farida Rustamova, BBC Rosiana, nandritra izany, nilaza i Farida fa nametraka ny tanany teo anelakelam-peny i Slutsky, voarakitra tao anatin'ny fitaovana fandraketam-peo ny fanoherany feno tahotra tamin'izany.

Nolavin'i Slutsky ny fiampangana azy tamin'ny voalohany, nolazainy fa “fanentanana sy fihantsiana efa nomanina”. Na izany aza, nandefa karazana fialan-tsiny mikasika ireo fiampangana ireo tsy nanonona anarana na antsipiriany manokana izy:

Дорогие женщины!
От всей души поздравляю вас с Международным женским днем! Желаю крепкого здоровья, душевных сил и простого человеческого счастья!
Пользуясь случаем, хотел бы попросить прощения у тех из вас, кому когда-либо вольно или невольно причинил любые переживания. Поверьте, не по злому умыслу.
Удачи и любви вам и вашим близким!
Искренне ваш,
Леонид Слуцкий

Ry vehivavy malala!
Miarahaba anareo amin'ny foko amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao aho! Maniry fahasalamana tsara, tanjaka ara-panahy, ary fahasambarana maha-olombelona ho anareo aho!
Te hanararaotra izao ihany koa aho mba hiala tsiny aminareo izay efa nanaovako fihetsika fanorisorenana tsy nahy na fanahy ianana. Minoa ahy, fa tsy nanao ratsy aho.
Mirary soa sy fitiavana ho anareo sy ny hava-tianareo!
Raiso ny haja atolotro,
Leonid Slutsky

Nanohana ampahibemaso an'i Slutsky ny filohan'ny Duma, Vyacheslav Volodin ary nananatra ireo mpanao gazety vehivavy nandritra ny fivoriana niaraka tamin'izy ireo:

‘Toeram-piasana mampidi-doza ho anareo ny Duma araka izany? Raha izany no izy, dia ovay ny asanareo, mitadiava asa hafa. Azo ve? Izany no nolazain'i Volodin mikasika ny fanorisorenana vehivavy mpanao gazety nataon'i Slutsky [mpikambana ao amin'ny Duma]. Mahamenatra ny hoe olona toy izany no mitarika ny parlemanta Rosiana. Angamba tokony hanova an'i Volodin isika?

Nandrahona ampahibemaso an'ireo mpanao gazety ny filoha lefitry ny Duma, Igor Lebedev, zanaky ny mpitarika ny LDPR, Vladimir Zhirinovsky:

Fanitsakitsahana goavana ny etika, ny lalàna heloka bevava ary fanevatevana tsotra izao ny fanambarana omaly nataon'ireo mpitati-baovao ao amin'ny TV Dozhd mamely ilay mpanao lalàna Slutsky. Hamoaka ny olana ho amin'ny fanesorana amin'ireo mpanao gazety ireo ny fanomezan-dalan'i Duma.

Feo manivaka sy firaisankina ao amin'ny Duma sy ny mihoatra izany

Ao amin'ny Duma, izay vehivavy no mitàna ny seza 70 amin'ireo 450, Oksana Pushkina ihany no nanameloka mazava ny fihetsik'i Slutsky. Raha voaporofo ny maha meloka azy, dia tokony hijery vahaolana ireo mpiampanga an'i Slutsky. Nalahelo ihany koa izy noho ny tsy fahampian'ny lalàna momba ny fanoherana ny fanorisorenana ao Rosia ary nampanantena hanolotra volavolan-dalàna hamahana izany.

Maria Zakharova, mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny fanta-daza amin'ny fomba fiteniny mivantana sy somary masiaka, nahatsiaro tao amin'ny tafatafa niarahana tamin'ny NTV fa nanao fanamarihana tsy mendrika teo anatrehany ihany koa i Slutsky ary nangataka azy izy mba hanajanona izany, araka ny fijoroany vavolombelona. Nanampy i Zakharova fa tsy nisy tamin'ireo lehilahy tao amin'ny efitrano mba niaro azy.

Nolaviny mazava ihany koa ny fiampangàna fa “zava-poronina” na koa hoe manao fitafy tsy mendrika ireo mpiampanga an'i Slutsky:

Я категорически не согласна с теми, которые говорят: да ладно, это им показалось, да какая-то там девочка, да она не так оделась, да это все ее выдумки. Ничего подобного.

Tsy miombon-kevitra tanteraka amin'ireo izay milaza aho hoe — jereo, nijery zavatra fotsiny izy ireo, na nitafy tamin'ny fomba tsy mendrika ny tovovavy sasany, na namorona zavatra izy. Tsy nisy zavatra tahaka izany.

Maro ireo mpanao gazety Rosiana nanohana tanteraka ny mpiara-miasa aminy. Tamin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, marobe ireo nitsangana tao Duma mitaky ny fanesorana an'i Slutsky amin'ny toerany:

Fihetsiketsehana maromaro no natao teo anoloan'ny rindrin'ny Duma [miaraka amin'ny teny filamatra] manameloka an'i Slutsky.
[Sora-baventy milaza hoe: ‘AZA KITIHANA NY VEHIVAVY MPANAO GAZETY’]

Niditra media sosialy ireo mpanao gazety hafa mba hitaky ny fametraham-pialan'i Slutsky. Tatyana Felgengauer, mpanolotra fandaharana amin'ny onjam-peo tsy miankina Akon'i Moskoa, izay voatsindrona antsy teo amin'ny tenda tamin'ny Oktobra 2017, nanambara hoe:

Tsy maintsy mandeha i Slutsky. Saingy andrasana hiala tsiny izy aloha.

Na dia izany aza, nilaza tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny RTVi i Pavel Gusev, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Moskovsky Komsomolets (gazetim-pirenena tia manaitaitra) sady filohan'ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Moskoa fa nampanantena hanadihady ny “tsy mety rehetra atao amin'ireo vehivavy mpanao gazety” izy.

Naneho ny fahasorenany i Tikhon Dzyadko ao amin'ny RTTi, izay nanadihady an'i Gusev:

Гусев не перестает радовать: в интервью RTVI он сказал, что они на Союзе журналистов Москвы обсудят не только вину Слуцкого, но и нарушение журналистской этики журналистками, которые столько лет молчали про домогательства Слуцкого.

Mampifaly hatrany i Gusev: tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny RTVi, nilaza izy fa hiadihevitra tsy momba ny mety ho maha-meloka an'i Slutsky ihany ny Sendikan'ny Mpanao Gazety ao Moskoa fa hijery koa raha nandika ny etika arak'asa ireo vehivavy mpitati-baovao noho ny fahanginana ela momba ny fanorisorenana.

Rehefa hitan'ny vondrona mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Moskonosov Lomonosov (MSU) fa mitantana ny sampan-draharahan'ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin'izy ireo i Slutsky, nangataka ny hanesorana azy izy ireo:

Mitaky ny fandroahana an'i Slutsky ny mpianatra satria tsy misy afaka manome toky fa tsy hihitatra any amin'ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin'ny MSU ny “fahazarana amin'ny fitondrantena rehefa miaraka amin'ny vehivavy mpitati-baovao”.

Nanampy fanambarana ny vondrona mpianatra:

Неподобающее поведение Слуцкого бросает тень на Московский университет. Мы считаем, что публичных извинений недостаточно и что Слуцкий должен покинуть пост заведующего кафедрой.

Niteraka ahiahy tao amin'ny Anjerimanontolon'i Moskoa ny fihetsika tsy mendrika nataon'i Slutsky. Mino izahay fa tsy ampy ny fialan-tsiny ampahibemaso ary tsy maintsy miala amin'ny toerany amin'ny maha lehiben'ny departemanta azy i Slutsky.

Na dia izany aza, mbola tsy niatrika ny voka-dratsy ny fihetsika niampangana azy i Slutsky, ankoatra ny fahatezerana madinika teo amin'ny vahoaka. Amin'izao fotoana izao, manana fanohanana feno avy amin'ny sangany ara-politika Rosiana izy. Mbola tsy hivory ny komitin'ny etika ao amin'ny Duma raha tsy aorian'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 18 martsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.