Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, nidaroka mpilatro  ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.

Nilalao tao amin'ny ekipa Slavia i Orlin Orlinov alohan'ny nidirany tao amin'ny CSKA. Nilaza ny mpanazatra an'i Slavia fa efa niteraka olana i Orlinov tamin'ny lasa. Mpanao gazety sady mpilatro ambony, ary olo-malaza any Bolgaria i Kristin Vacheva. Nampahafantarina an'i Orlin Orlinov tao amin'ny toeram-pandihizana iray tao Sofia izy. Ny alin'ny 20 Martsa, nentiny tany an-tranony i Orlinov. Ary nanomboka nidaroka azy izy.

[…] “He dragged me to the floor. Everything was covered with blood […],”said Vacheva on bTV.

[…] “Notaritiny tamin'ny gorodona aho. Feno rà avokoa ny rehetra […],” hoy i Vacheva tao amin'ny bTV.

Nahatonga fanehoan-kevitra maro tao amin'ny bilaogy sy tranokalam-baovao ao Bolgaria ity tranga ity.

Bilaogera crossagency nilaza zavatra avy tamin'ny tantara momba ny zava-nitranga [BG]:

[…] In the morning I couldn't breath, I told him: “Please, I need a doctor.” I saw the key and I ran away. At the moment I got to the car, he started ringing me, he wrote messages. He said if I didn't pick up my phone it would get worse. I said to him: “You are crazy” – and he said, “Yes, but there is nothing you can do.” […]

[…] Ny maraina, tsy afaka niaina aho, hoy aho taminy: “Azafady, mila dokotera aho.” Hitako ny fanalahidy ary nandositra aho. Tamin'ny fotoana nidirako tao amin'ny fiara, nanomboka niantso ahy tamin'ny finday izy, nanoratra hafatra. Nolazainy fa raha tsy mandray ny findaiko aho dia ho ratsy kokoa izany. Hoy aho taminy: “Adala ianao” – ary hoy izy: “Eny, saingy tsy misy azonao atao.” […]

Bilaogera hafa, sisko871, nanoratra hoe [BG]:

[…] Katrin escaped from her torturer in the morning. “I decide to share, because there might be other girls who could make the same mistake and be battered by him the same way.” Orlinov admits that he has not raped Vacheva, but “just a little.” The prosecutor’s office is expected to charge the football player of CSKA for assault and battery. […]

[…] Nandositra ny mpampijaly azy i Katrin ny maraina. “Manapa-kevitra ny hitantara aho, satria mety hisy tovovavy hafa mety hanao fahadisoana tahaka izany ary darohany tahaka izany ihany koa.” Nanaiky i Orlinov fa tsy nanolana an'i Vacheva izy, fa “kely fotsiny.” Andrasana hanameloka an'ity mpilalao baolina kitran'ny CSKA ity ny biraon'ny mpampanoa lalàna noho ny herisetra sy daroka. […]

Novinkata nanoratra [BG] hoe:

[…] The CSKA's forward Orlin Orlinov declared he had never hit model and reporter for TV MSAT Katrin Vacheva, who made a complaint about rape and battery. […]

[…] Nanambara i Orlin Orlinov, lohalaharana ao amin'ny CSKA fa tsy nidaroka ilay mpilatro sady mpanao gazetin'ny TV MSAT Katrin Vacheva, izay nitaraina momba ny fanolanana sy ny daroka misesisesy izy. […]

Bilaogy Boligara Goli dumi namoaka pikantsary misy ny resaka teo amin'ireo mpanohana ilay atleta [BG]:

Misara-kevitra ny fiarahamonina. Ny sasany mihevitra fa olana goavana izany ary ny hafa dia mieritreritra fa seraseram-bahoaka fotsiny izany. Tao anatin'ny andro vitsy lasa, niresaka momba ity tranga ity ny ankamaroan'ny fahitalavitra Boligara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.