Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2018

Gazetibokin'ny Fahasalaman-Dehilahy Ao Kazakhstan Miteny Ratsy Ny Fahasalaman'ny Vehivavy

"Raha misy fanentanana feminista (manindrahindra ny maha-vehivavy), tokony hisy vazivazy momba ny fanentanana feminista, raha tsy zany, fanakavahana ny lehilahy izany."

Nanamarika Ny Fanoherana Ny Fankahalana Vehivavy Tany Pakistana Ny Diabe Aurat (Diaben'ny Vehivavy)

"Efa maro ny hatezerana ary nivoaka ihany izany ny farany ary  fomba iray hitondrana izany fahatezerana izany ho any amin'ny toerana misy ny zavatra matanjaka sy mahafinaritra ity diabe ity."

Gay sy Lesbiana Talata Matavy 2018 ao Sydney Manome Voninahitra Ny Diabem-Pireharehana Voalohany Nakorontan'ny Herisetran'ny Polisy 40 Taona Lasa Izay

Hetsika manana tanjona roa ny Mardi Gras 2018 Gay sy Lesbiana ao Sydney - fankalazana maroloko ataon'ny vondrom-piarahamonina pelaka sy lesbiana, ary fankalazana ny faha 40 taonan'ny diabe voalohany tamin'ny taona 1978 izay nahitana mpandray anjara 53 nosamborina sy nampangain'ny polisy .

Manao Diaben'ny Fitovian-jo sy ny Rariny Ny Vehivavy Ao Indonezia

Mampiasa ny tenirohy #LawanBersama (#Miara-mitolona) ireo mpanao diabe mba hitaky ny fiarovana ny zon'ny vehivavy.

Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Scary Azeri

Tsy an-kihambahamba fa tonga dia mivantana avy hatrany , kanefa amin'ny fomba mahatsikaiky foana, vetivety dia lasa nalaza haingana ny bilaogy ary nisy mihitsy aza ny lahatsoratra no naverin'ny fampitam-baovao navoaka tany an-tanindrazany any Azerbaijan.