
Pikantsarin'i Onesimus Twinamasiko, parlemantera Ogandey, izay niteny tao amin'ny fahitalavitra Ogandey fa “amin'ny maha lehilahy, mila mifehy ny vadinao ianao.”
Niteraka fahatezerana manerana ny firenena i Onesmus Twinamasiko, mpikambana ao amin'ny parlemanta ao Ogandà raha nilaza tamin'ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra fa tokony hidaroka ny vadiny ny lehilahy.
Natao antsafa tao amin'ny tambajotra fahitalavitra NTV i Twinamasiko ho setrin'ny fampitandremana nataon'ny filoha Ogandey Yoweri Museveni tamin'ny kabary manamarika ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy tamin'ny 8 Martsa. Nilaza i Museveni tamin'ny kabariny fa ” adala sy kanosa ny lehilahy iray midaroka vehivavy.”
“As a man, you need to discipline your wife…touch her a bit, tackle her and beat her to streamline her”- Onesmus Twinamasiko, MP, Bugangaizi East following comments by Museveni that men who beat women are cowards and should face the full wrath of the law pic.twitter.com/yhoEVRk212
— Patu™ (@AyamPatra) March 11, 2018
“Amin'ny maha-lehilahy anao, mila manisy fitsipika ny vadinao ianao … mikasika azy kely, miatrika azy ary midaroka azy mba hanitsiana azy” – hoy i Onesmus Twinamasiko, Solombavambahoaka ao Bugangaizi Atsinanana taorian'ny fanehoan-kevitr'i Museveni fa kanosa ny lehilahy midaroka vehivavy ary tokony hiatrika ny fahatezeran'ny lalàna
Tsy mba mamokatra ny mpanao lalàna tahaka an'i Twinamasiko izay tokony haneho fanohanana ho an'ny herisetra an-tokantrano, satria mbola miady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy i Ogandà. Tsy vao voalohany no nisy mpanao politika nanao fanambarana toy izany. Tamin'ny taona 2013, nilaza ny Minisitry ny Tanora, Ronald Kibuule fa mangataka mba haolana ny vehivavy manao fitafiana “tsy mendrika” ary ny lehilahy voaheloka noho ny fanolanana vehivavy tahaka izany dia tokony avotsotra. Vao haingana, tamin'ny volana Janoary 2018, nangataka tamin'ny ambasadaoro lefitr'i Ogandà, Dickson Ogwang, mba handao ny firenena ny Departemantam-panjakana Amerikana rehefa voalaza fa nidaroka ny vadiny izy.
Vao haingana, nisy vehivavy mpanao gazety niala tamin'ny fahanginany mikasika ny vono ataon'ny vadiny azy; niteraka tabataba tao amin'ny media sosialy izany zany. Mahazatra eo amin'ny fiainana andavanandro ao amin'ny firenena ihany koa ny tantara momba ny herisetra an-tokantrano .
Milaza ny tatitra farany avy amin'ny vehivavin'ny Firenena Mikambana fa 51% amin'ny vehivavy ao Ogandà no miaina “herisetra ara-batana na ara-nofo ataon'ny olo-tiany, indray mandeha farafahakeliny eo amin'ny fiainany.” Nampiseho fitomboan'ny fahafatesan'ny vehivavy noho ny herisetra ny tatitry ny polisy notononina tamin'ny taona lasa tao amin'ny Daily Monito, 109 tamin'ny taona 2010 ary niakatra163 ny taona 2016.
Mahagaga ihany koa ny fanambaràn'i Twinamasiko manoloana ny Lalànan'ny Herisetra An-tokantrano izay nolaniana tamin'ny taona 2010 “mba hiarovana sy hanamaivanana ireo niharan'ny herisetra an-tokantrano, mba hanomezana sazy ho an'ireo mpiherisetra ao an-tokantrano …” Nahazo fanohanana goavana avy amin'ny mpanao politika avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ny mpanohitra, ny mpitondra fivavahana sy ny fiarahamonim-pirenena izany lalàna izany.
Nanasongadina ny fahataràna sy ny fahadisoam-pisainan'i Twinamasiko ny fanehoan-kevitra antserasera avy amin'ny Ogandey:
#OnesmusTwinamasikoMustResign an idiot in power promoting violence against women. We must get rid of these cavemen mentality wannabe politicians from power. There is no place for them in our society and we want to make it clear that women deserve respect.
— Nubian Queen (@AfricanQueen2) March 12, 2018
#OnesmusTwinamasikoMustResign adala eo amin'ny fahefana mampiroborobo ny herisetra amin'ny vehivavy. Tsy maintsy manaisotra ireo mpanao pôlitika ratsy saina eo amin'ny fahefana isika. Tsy misy toerana ho azy ireo eo amin'ny fiarahamonintsika ary tiantsika ny mampiharihary fa tokony hajaina ny vehivavy.
Womyn continue to be disposable in this country. Time and time again, your silence, words and actions have proven that you care nothing for the safety and humanity of womyn. Onsemus Twinamasiko saying what he said represents majority of the society. #OnesmusTwinamasikoMustResign
— Tяıċıa (@triciatwasiima) March 12, 2018
Mbola atosi-bohon-tanana foana ny vehivavy eto amin'ity firenena ity. Nanaporofo hatrany hatrany, ny fahanginanao, ny teninao sy ny fihetsikao fa tsy miahy na inona na inona ho fiarovana sy ny maha-olombelona ny vehivavy ianao. Ny filazan'i Onsemus Twinamasiko fa maneho ny maroanisan'ny fiarahamonina ny lazainy.
Ary maro ireo niantso ity solombavambahoaka ity mba hiala:
#OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign #OnesmusTwinamasikoMustResign
— Nkojo’s Princess (@Call_The_Popo) March 11, 2018
Fitsapana ho an'ny filohan'ny Parlemanta, Rebecca Kadaga, izay mbola any New York manatrika ny fivoriana faha-62-n'ny Firenena Mikambana momba ny Satan'ny Vehivavy ao amin'ny Firenena Mikambana ity toe-javatra ity. Nilaza i Kadaga fa hanadihady ny fanehoan-kevitr'i Twinamasiko ny Komity parlemantera momba ny Fitsipika, ny Fitsipi-pifehezana sy ny Tombontsoa ary hanome ny tatitra any amin'ny Parlemanta.