Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Septambra, 2016
Manao Famoriam-bahoaka Hiaro Ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana ny ‘Revolisiona Maroloko’ Makedoniana
Nanambara fihetsiketsehana vaovao nokasaina atao eo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ao Skopje tamin'ny Alatsinainy 28 Septambra ireo mpitarika ao amin'ny "Revolisiona Maroloko", ho fanohanana ny Biraon'ny Mpampanoa lalàna Manokana (SPO).
Manohana ny Lalàna Mandràra ny Fanalan-jaza Ny Mpanao Lalàna Poloney, Lalàna Lazain'ny Mpitsikera Fa “Afobe Ho An'ny Vehivavy”
Mitohy ny hetsika "Fihetsiketsehana Mainty" ao Polonina, izay manohitra ny volavolan-dalàna mandrara ny fanalan-jaza ary mety hampiditra am-ponja ny vehivavy manala zaza sy ny dokotera manatontosa ny fanalan-jaza.
Niakanjo Mainty Ny Poloney Hanoherana Ny Volavolan-dalàna Manasazy Ny Fanalan-jaza
Poloney an'arivony no nizara ny sarin'izy ireo miankanjo mainty hanoherana ny lalàna manameloka ny karazana fanalan-jaza sy hanohitra ny fanamafisana ny sazy efa henjana ao amin'ny lalàna manohitra ny fanalan-jaza ao amin'ny firenena.
Mahery Vaika Ny Fanafihan'ny Polisy Shinoa Ireo Mpanao Hetsika Nanohitra Ny Fampidirana Am-ponja Ny Filoha Voafidin'ny Tanànakely Iray
Mino ireo mponina fa noterena hiaiky ho nandray kolikoly i Lin satria nanomana hetsi-panoherana manohitra ny fangalana tany an-keriny tsy nahazo ny fankatoavan'ny tanànakely.
Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook

Mafàna ny ady bot Facebook eo amin'i Okraina sy Rosia. Hahita lalana hanasaziana ireo mpanao "spam" ve ny governemanta Rosiana?
Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao

Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.
Mihahenjana Ny Toe-Draharaha, Mikarakara Fihetsiketsehana Ao An-Drenivohitra Ny Mpanohitra Ao Venezoelà
Niteraka disadisa teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny fanomanana ny fidinana an-dalam-be tamin’ny 1 Septambra teo. Mandritra izany fotoana izany dia nanome vaovao ara-potoana ny tambajotra, ny fampitam-baovao tsy miankina ary ny mediam-bahoaka .