Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2016
Ny Tompondaka An-tsary: Ny Fitsidihan'i Muhammad Ali Tao Iran Tamin'ny Taona 1993
Tamin'ny taona 1993, nanao fitsidihana tao Iran i Muhammad Ali, mpanao ady totohondry nahomby indrindra nandritra ny fotoana maro. Ny fivadihany ho silamo tamin'ny taona 1964 sy ny fandavan'ilay mahery hanao ady totohondry tao Vietnam no nitondra ny fifantohantsain'izao tontolo izao taminy.
Mitaky Fanjakana Mahefa Ny Antoko Mitondra Ao Delhi, Mety Hisy Dexit Ve Aorian'ny Brexit?
Tamin'ny fahazoana elatra avy amin'ny Brexit no nilazan'ny Lehiben'ny Minisitr'i New Delhi, Arvind Kejriwal, fa hisy tsy ho ela ny fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny maha-fanjakana mahefa an'i Delhi -- fa mifanaraka amin'ny lalampanorenana ve aloha ny fitsapa-kevi-bahoaka?
Pôrtôrikàna No Ankamaroan'ireo Namoy Ny Ainy Tamin'ilay Vonomoka Tao Orlando
Misaona ny famoizana ireo hava-malalany maty tany amin'ny iray amin'ireo toerana malaza falehan'ny Pôrtôrikàna mifindra monina any Etazonia hikatsaka fiainana tsara kokoa ry zareo Pôrtôrikàna
Senatera Pakistaney Nandrahona Hanolana Mpikatroka Tamin'ny Fandaharana Mivantana Amin'ny Fahitalavitra
"Niantso ahy ho vehivavy janga i [Hamdullah] ary nilaza fa, "hanala ny patalohako sy ny an'ny reniko!"
Namelona Indray Ny Realisma Sosialista Tsy Misy Ny Sosialisma Ny Antoko Mitondra Ao Makedonia
Nanambara ny fampitam-baovao tsy miankina iray fa nanao komandy sary hosodoko mihoatra ny 50 ny antoko eo amin'ny fitondrana ao amin'ity firenena ity.
Tsy Mahasakana ny “Revolisiona Maroloko” Ao Makedonia Ny Fandrahonana Fiampangana Heloka Bevava
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny "Revolisiona Maroloko" ao Makedonia fa tsy atahorany ny fanambaran'ny polisy milaza fa hiampanga noho ny heloka bevava amin'ireo sahisahy indrindra amin'izy ireo ny polisy.
Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam
Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.
Manohana Ara-bola Ny Mozika Rock Tsy Tia Tanindrazana Ny Governemanta Ao Makedoniana Ka Tsy Faly Ny Vahoaka.
Tafiditra ao anatin'ilay fantina ireo sokajy toy ny 'famoronana izay manamafy ny tantaran'i Makedonia" sy "ireo famoronana izay manamafy ny soatoavin'ny fianakaviana ary ireo fianakaviana maro anaka", ilay fantina mozika