Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2013

30 Marsa 2013

LAHATSARY: Tobim-pamokarana Herinaratra Okrainiana kilan'ny Afo, Tsy Azo Antoka Ny Hoavin'ny Tanàna Manodidina

Farafaha-ratsiny iray no maty ary dimy hafa naratra ny 29 martsa tamina firehetana goavana [amin’ny teny anglisy] tao amin’ny Tobim-pamokarana herinaratra ahodin-tsolika ao Vuhlehirska any Svitlodarsk, tanana kely iray ao Donetsk any Okraina.

29 Marsa 2013

Didy Fampisamborana Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah Noho Ny Resaka Sioka Tamin'ny Twitter

Tonga nitono-tena tao amin'ny mpampanoa lalàna ilay bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah tamin'ny 26 Martsa taorian'ny didy fampisaborana navoaka ho azy ny alin'ny 25 Martsa. Mikasika ny fifandraisany amin'ny mpanjakavavy Joumana ny fanadihadiana, sy ireo sioka Abd El Fattah ary ny filazan'ity mpanjakavavy ity momba an'i Abd El Fattah...

Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy

Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe...

26 Marsa 2013

Miampanga Ireo Refôrmista Hiditra Am-ponja 10 Ka Hatramin'ny 11 Taona Ny Fitsarana Saodiana

Vao marainan'ny 9 Martsa, namoaka ny valim-pitsarany ny Lapam-pitsarana misahana ny Heloka Bevava any Riyadh mikasika ireo reformista roa sady mafana fo amin'ny zon'olombelona Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, taorian'ny fiampangana azy ireo ho “tsy nankatò ny mpitondra sy ny mpandimby azy” sy ny “fikasana hanakantsakana ny fivoaran'ny firenena”. Voampanga...

17 Marsa 2013

Mitohy Ireo Fandoroana Tena Any Tonizia

Dimy amby roapolo taona taorian'ny nandoroan'ilay mpivarotra voankazo an-dalambe, Mohamed Bouaziz, ny tenany, mbola mitohy io tranga io any Tonizia. Noho ny fahaverezam-panantenany momba ny sosialy sy tearena, nandoro ny tenany i Adel Khadri, mpivarotra sigara an-dalambe ny 12 Martsa tany amin'ny renivohitr'i Tunis. Maty [13 Martsa] ny tenany.

15 Marsa 2013

Arzantina, ny Governemanta sy ny Papa Fransoà

Raha niandry ny valim-pifidianana izao ho Papa vaovao izao tontolo izao, efa nanantena ny Arzantina fa olona mpiray tanindrazana aminy no ho voafidy ho Papa. Nanambara ny setroka fotsy nivoaka tao Vatikana fa vita ny fifidianana: zezoita voalohany sy papa Arzantina voalohany, Jorge Bergoglio – izay lasa Fransoà ankehitriny- no...

14 Marsa 2013

Avy Any Arzantina Ny Papa Vaovao, Jorge Bergoglio

Nalaky be tamin'ny fanehoankevitra ireo mpisera anaty aterineto taorian'ny fanambaràna fa hoe sambany no avy any Arzantina, ary Amerikana Latina, no hitondra ny Fiangonana Katolika

13 Marsa 2013

Tontolo Arabo: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy

Niara-nitepo tamin'izao tontolo izao ireo Arabo mpisera anaty aterineto androany niandry vaovao mikasika izay ho Papa vaovao, izay hisolo toerana an'i Papa Benoit XVI. Ary vantany vao nivoaka ny setroka fotsy avy ao amin'ny Chapelle Sistine, manambara fa voafidy ny Papa, dia niainga avy any koa ny fanehoankevitr'izy ireo.

12 Marsa 2013

Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana - taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny...

09 Marsa 2013

Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia

Akon'ny RuNet

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy...