Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2014
Inona No Tadiavinao? Fiantsoana Hitokona Eo Amin'ny Sukiya, Tambajotra Japoney Mpamatsy Sakafo Vita Haingana
Tena nitokona marina ve ireo mpiasa ao amin'ny Sukiya, ilay tambajotra mpamatsy sakafo vita haingana, malaza amin'ny hena omby sy vary "gyūdon" amin'ny vidiny $3 ?
Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy
Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.
Notapenam-Bava Ny Gazeti-boky Antseraseran'i Yoani Sánchez Ao Kioba
Raha nikaroka ny rohy URL www.14ymedio.com ireo mponina ao amin'ny nosy, habaka milaza hoe "Yoani$landia.com» no hitan'izy ireo
Tondradrano Any Serbia : Noraisin'ny Serba An-tànana Ny Famonjena Ireo Tra-Boina An'Aliny
Koa satria niaina tao anaty tondradrano nahatsiravina izay tsy fahita tao anatin'ny 120 taona i Serbia sy i Bosnia dia ny olon-tsotra sy ny fiarahamonim-pirenena no nitarika vonjy taitra sy fanampiana.
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
Diezy Mpangalatra i Mubarak No Nitsena Ny Didy Mampigadra Azy Telo Taona
Voaheloka telo taona noho ny fanaovana kolikoly ny filohan'i Ejipta teo aloha Hosni Mubarak noho ny fanodikodinana volam-panjakana. Manontany tena ny bilaogera hoe maninona no maivana dia maivana ny didy fanamelohana.
#Conservaeloso: Fanentanana Hanavotana ny “Alcatraz-n'i Karaiba”
Hanokafana ivon-toeram-pitsaboana homamiadana ny toerana.
Minitra Farany Hiainan'ny Twitter Ao Rosia
Nandrahona tale lefitry ny sampan-draharaha voalohany misahana ny sivana ao Rosia, Roscomnadzor, fa azon'ny governemanta sakanana manontolo ao anatin'ny minitra vitsivitsy ny Twitter na ny Facebook.
Fahafatesana sy Twitter: Tati-Baovao Avy any Okraina
Nitatitra tao amin'ny Twiter ny Rosiana mpanoratra gazety Ilya Azar fa nitifitifitra fahatany ireo sivily tao Krasnoarmeysk sendra nandalo azy ireo ny Mpiambina Nasionaly vao natsangana
Fanadiovana ny Fanafihana Rosiana Any Okraina
Mety afa-mampiditra ny heriny any an-taniben'i Okraina ny ao Kremlin amin'ny alalan'ny fandrisihana, na fanomezana fiadiana ny milisy Krimeana, izay te-hiroso ho any Slaviansk. Ara-teoria, dia mety hahomby i Moskoa, amin'ny "fanadiovana" ara-pitenenana irery ihany amin'ny fitsofohana an-tsehatra ara-tafika amin'izay fomba izay