Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2013
Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria
Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka "Free Army" tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.
Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh
Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.
Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona
Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..
Maty Tany Am-Ponja i Jorge Videla, Mpitondra Miaramila Tao Arzantina Teo Aloha
Nodimandry tamin'ny 17 mey 2013 teo amin'ny faha-83 taonany tao amin'ny efitrano namonjana azy i Jorge Rafael Videla, filohan'i Arzantina teo aloha.
Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan
Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny...
Tafatafa Tamin'i Makaila Nguebla, Tsadiana Mpanao Gazety, voaroaka Avy Ao Senegal Ho Any Ginea
Noroahan'ireo manampahefana senegaley ho any Ginea ny 8 may 2013 teo ilay mpanao gazety Makaila Nguebla. Nanazava mikasika io izy nandritra ny tafatafa iray natao taminny
Fipoahana Etona Fandrehitra Nahafatesana 19 Farafahakeliny tao Meksika
Nahafatesana olona 19 sy naharatrana olona 36 farafahakeliny ny fipoahana fitoerana gazy iray araka ny tatitra farany. Ny maraimben'ny 7 mey 2013 no nitrangan'izany fipoahana izany tao Ecatepec de Morelos County (Fanjakan'i Mexico). Ao anatin'ny...
Vehivavy, Kongolezy Ary Minisitra Ao Anaty Governemanta Gaovao Italiana
Notsaohan'ny tontolon'ny bilaogy afrikana ny fanendrena an'i Cécile Kyenge, profesora mpitsabo avy amin'ny mpiavy, ho eo amin'ny toeran'ny Ministre de l'Intégration ao anatin'ny governemanta italiana.
LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey
Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany...
Kandidà Tsy Nampoizina Fifidianana Eto Madagasikara
Fanamarihana : Raha mijery ny lahatsoratra niavian'ity dikan-dahatsoratra ity isika dia tamin'ny 28 avrily no nanoratana ny tamin'ny teny anglisy, nisy ny fanavaozana tamin'ny 29 avrily, nefa tsy nampiova ny...