Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2009

24 Mey 2009

Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray

11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny  mozika Mawazine. Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja  Hay Nahda hipooky ny...

Korea : Maty ilay filoha tsy nanao kolikoly indrindra fa ampangaina ho manao kolikoly izy

Nodimandry androany (sabotsy) ny filohan'i Korea teo aloha Roh Moo-hyun. Nanandrana nandao ny fiainany milamina tao an-tanàna niaviany tamin'ny alalan'ny fitsambikinana tany amin'ny hantsana tao ambadiky ny tranony ny filoha rehefa nahatsiaro nijaly noho ny raharahan-kolikoly sy fanadihadiana ataon'ny fampanoavana aminy. Na dia tsy misy loatra aza ny porofo ahafahana...

20 Mey 2009

Ezypta: Nodimandry ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha

Nindaosin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray tany Paris rehefa narary tao anatin'ny fotoana fohy ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha Ezypsiana Hosny Mubarak antsoina hoe Mohammed. Haingana ny fanehoam-pihetseham-po nataon'ny mpamaham-bolongana noho ny fahafatesan'ity zaza 13 taona ity – nefa tsy nahenoana ny akony velively tamin'ny haino aman-jerim-panjakana raha vao niely...

16 Mey 2009

Fifidianana Karana Indiana 09 : Niray safidy hanamafy ny fahamarinan-toerana

Ity lahatsoratra ity dia tafiditra ao amin'ny Fitantarana manokan'ny Global Voices ny fifidianan'ny Karana Indiana 2009 Tonga avokoa ny valim-pifidianana avy any amin'ny vazantany efatra any India ary dia mazava fa nisafidy mazava ny governemantan'ny hery afovoany marintoerana, eo ambany fitarihan'ny UPA ao amin'ny Kongresy ity firenena ity. Ho fanindroany...

13 Mey 2009

Pakistana: Fandresen'ny Demokrasia

Tafaverina amin'ny toerany ny filohan'ny fitsarana tampony ao Pakistana, Iftikhar Mohammed Chaudry, fepetra namaly ny tanjona voalohan'ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpitsara sy ireo mpisolo vava ary ny Diabe. Ny Praiministra Pakistane, nanambara izany nandritry ny  kabariny tao amin'ny fahitalavitra. Fanampin'izany dia nanome toky ny governemanta fa hamerina amin'ny toerany ireo mpitsara...

11 Mey 2009

Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany Moskoa

Indreto tatitra hafa fanampiny mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa;  Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina dia...

Rosia : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa

Manapariaka sary mitatitra ny doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 May ireo mpiblaogy Rosiana. Tsidiho ireo blaogy samihafa anivon'ny LiveJournal :  buchwurm,  goodwine, principiale,  maroot,  volland. Misy koa lahatsary napetraky HorseWhispererRF azonao jerena ao amin'ny YouTube.

09 Mey 2009

Myanmar: rivo-mahery vaika nandrava an'i Mandalay

MgHla no nanoratra tamin'ny 6 May 2009 fa nandravarava an'i Mandalay, renivohitra fahatelo any Myanmar ny tadio. Sary avy amin'ny bolongan'i MgHla Hoy izy nanoratra: “After I attended a seminar, I came back to the office around 4pm. On the way, I saw that there was a whirlwind of wind,...

03 Mey 2009

Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra

Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy hita...