Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2023
Nambaran'ireo firenena amin'ny ilabolantany atsimo fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra ara-toetrandro nandritra ny COP27
Satria iray andro sisa tavela amin'ny fihaonambe eran-tany, mbola tsy nisy ny fametrahana rafitra famatsiam-bola ho an'ny Fatiantoka sy Fanimbana satria miodinkodina manodidina ny fandaharam-potoana ny firenena mandroso .
Fanafihana iray hafa nahazo ny foibe LGBTQ+ ao Podgorica no manasongadina ny filàna fiarovana ny zon'olombelona ao Montenegro
Jiolahimboto tanora miisa enina mitondra bara vy no nikasa hiditra ankeriny tao amin'ny ivon-toerana LGBTQ+ Drop In center tao Podgorica. Ny andro mialohan'io dia nisy andiana tovolahy mitovitovy tamin'ireo nandrahona ny mpiasa.
Black Stalin, mpiangaly gadona calypso tao Trinidad & Tobago, ilay ‘lehilahin'i Karaiba,’ niavaka indrindra, nodimandry teo amin'y faha-81 taonany
Mpandinika ary mpanoratra tononkira tena mahaleotena nandritra ny asa navitrika sy naharitra nataony i Salin, nahavita nametraka kihon-dàlana tena tokamiavaka, manantsaina momba ireo olana tamin'izany fotoan'andro izany.
Nosamborin'ny polisy ao Azerbaijan ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny andro nitsarana ilay mpikatroka
Tamin’ny 23 Desambra, nikasa hanao fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Hajiyev ny vondrona mpanohana rehefa namoaka didy ny fitsarana ambony ao Baku fa hitazona an'i Hajiyev ao am-ponja.
Misedra olana ara-pahasalamana ny filohan'i Zeorzia teo aloha
Niharatsy ny fahasalaman'ny filoha teo aloha izay voafonja, hoy ny tatitra ara-pitsaboana na dia teo aza ny fitsaboana tao amin'ny tobim-pahasalamana nanomboka tamin'ny volana Mey.