Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2012
Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão
[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily...
Bahrain: Entona Mandatsa-dranomaso, Herisetra MAnodidina Ny Hazakazaka Grand Prix F1
Nampiantrano ny Formula One Grand Prix i Bahrain ny 22 Aprily, saingy fihetsiketsehana goavana iray no nialoha làlana ny hetsika fanokafana ilay fifaninanana hazakazaka. Tanatin'ireo fifandonana dia nandefa entona mandatsa-dranomaso sy grenady mankarenin-tsofina ny polisy, ka i Salah Abbas Habib, iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no hita namoy ny ainy..
Korea Avaratra: Resaka Manodidina Ny Fandefasana Balafomanga Tsy Nahomby
Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny...
Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”
Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny "Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay", dia ny mpitendry zava-maneno Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy iaraka amin'izy ireo. Voasambotra ihany koa izy noho izany fikasana izany.
Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman
Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir tamin'ny 13 Avrily ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.
Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona
"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.
Pakistana : Fihetseham-po Teo Noho Eo Tamin'ny Fahafatesan'Ilay Mpitarika Nasionalista Sindhi
Ny 23 Martsa, Karachi (Sindh) dia nampiatrano fivoriana lehibe ho an'ny fahaleovantenan'i Sindh amin'ny fanjakana ao Pakistana. Ilay fivoriana lehibe dia nokarakarain'ilay Jeay Sindh Qaumi Mahaz (Ho ela velona ny...
Kolombia: Noafahan'ny FARC Ireo Miaramila Takalonaina 10 ‘Farany’
Tamin'ny Alatsinainy 2 Aprily 2012, miaramila efatra sy polisy enina nalain'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) an-keriny tamin'ny taona 1998 na 1999, no noafahan‘ireo vondrona mpioko mitam-piadiana ireo ihany tao amin'ny faritra ambanivohitra eo...