Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2011
Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi
Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.
Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC
Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.
Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif
Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud. Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay...
Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY
Narahin'ireo mpisiokantsera any Madagasikara ary notateriny mivantana ny fanendrena ny Praiministra vaovao. Tamin'ny teny fohy no nanambaran'ny namana Avylavitra fa “Beriziky Omer -n'ny ankolafy Zafy Albert no lany ho Praiministra.”
Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said
Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny. Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo amin'ny samy tanora ao Ejipta indray ny nandrenesana ny didim-pitsarana.
Arzantina: Cristina Fernández de Kirchner Voafidy Indray Ho Filoham-pirenena
Ny fifidianana filoham-pirenena tany Arzantina tamin'ny 23 oktobra teo no nahazoan'i Cristina Fernandez de Kirchner fandresena goavana, araka ny vokatra vonjimaika. (Jereo ny lahatsoratra tao amin'ny Global voices mikasika ny vokatra tamin'ny volana aogositra...
Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo
Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Tatitr'i Ruwayda Mustafah.
Torkia: Olona 1000 Ahiana Ho Faty Nandritra Ny Fihovitry Ny Tany Ao Van
Nahazo ny ilany atsinanan'i Torkia ora vitsivitsy lasa izay ny Fihovitry ny tany nahatratra ny maridrefy 7,2. Ahiana hahatratra 1000, ny be indrindra, ny isan'ny maty tamin'ny fihovitry ny tany, izay nahazo an'i Ercis, any amin'ny faritra be tandrombohitr'i Van manakaiky sisintany amin'i Iran.
Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia
Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena,...
Libya: Fifaliana Fa Voamarina Ny Fahafatesan'i Gaddafi
Maty ihany ilay nanampahefana Libyana Muammar Al Gaddafi. Taorian'ny siokantsera sy ny vaovao ankamantatra an-hetsiny amin'ny filazana azy ho voasambotra, maratra, maty na izy telo miarala, dia nohamarinin'ny Antenimieram-pirenen'ny Tetezamita (NTC) mitondra...