Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2018

31 Mey 2018

Famehezana ny Tontolon'ny Blaogy Poloney

"Fandresena kely, sy tsy maharitra ho an'ireo 'mpikatroka amin'ny 'click'' anefa raha araka ny Poland IP, izany no porofo toy ny fomba ara-drariny hanehoana hevitra sy hikarakarana ny fanoheran'ny vahoaka no fahitàn'ny vondrona mpitsikera ao Polonina ny aterineto."

28 Mey 2018

Thailandy: Mpandeha an'arivony voakasiky ny fitokonan'ny fiaran-dalamby

Nanao hetsi-panoherana manohitra ny fanapahan-kevitry ny minisitera ny mpiasa satria tsy ekeny ny hanaovana ho tsy miankina ny orinasan-dalamby. Nofoanana ny fitokonana ny Talata (23/6) tamin'ny hariva, taorian'ny nanomezan'ny manampahefana toky ireo tompon'andraikitry ny sendikan'ny mpiasa fa tsy hisy ny fanaovana tsy miankina ny orinasa

23 Mey 2018

Pakistana : Fijery Avy Any Afovoany Atsinanana

Inona no ambaran'ireo blaogera avy ao Afovoany Atsinanana momba ny fivoarana farany ao Pakistana? Miainga avy amin'ny fanangonan-tsonia mba hanakanana ny lalàna miaramila ka tonga hatramin'ny hanihany mahatsikaiky, miainga avy amin'ny torohevitra mankany amin'ny fitarainana noho ireo fotoana tokony hahafanaha manao zavatra saingy tsy mifanojo amin'ny ilàna azy ireo fanehoankevitra.

22 Mey 2018

Ejipta: Na Ireo Mpivarotra Zava-Mahadomelina Aza Dia Tia An'i Obama

Tonga amin'ny faratampony iray vaovao ny lazan'i Barack Obama ao Ejipta miaraka amin'ny fampidirana eny an-tsena ny entana iray tsy ara-dalàna mitondra ny anaran'ny filoha vao voafidy.

Portiogaly: Fiombonana ho fanomezam-boninahitra an'i Jose Saramago, mpandresy tamin'ny loka Nobel 

Maty teo amin'ny faha-87 taonany ilay mpanoratra Portiogey sady hany mpandresy tamin'ny loka Nobel amn'ny teny Portiogey ho an'ny Literatiora, José Saramago, tao amin'ny toeram-ponenany tao Lanzarote. Na dia mety tsy ho tiany aza izany dia nahazo fanomezam-boninahitra iombonana tao amin'ny Twitter izy.

15 Mey 2018

Ao anatin'ny fahamailoana tanteraka i Indonezia taorian'ny andiam-panapoahana baomba tany Java Atsinanana

"Tonga eto amin'izao tontolo izao isika ho rahalahy sy rahavavy, koa andao hifandray tanana, tsy misy aloha sy aoriana."

Nanao fihetsiketsehana ny Montenegrina mba hanohitra ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tamina mpanao gazety iray ary…

GV Mpisolovava

Taorian'ny fanafihana mpanao gazety Olivera Lakić, izay nisy nitifitra teo amin'ny tongony, Montenegrina an-jatony maro no nanao fihetsiketsehana tao Podgorica, nitaky fanatsaharana ny tsimatimanota sy ny fiainana lavitry ny tahotra.

11 Mey 2018

Nifampitifitra tanaty ny fonjabe mafy fiarovana indoneziana iray ny gadra mitam-piadiana sy ny mpiandry fonja

FANAMPIM-BAOVAO (10 Mey 2018): Rehefa nifampitana nandritra ny 36 ora, Nitatitra ny manampahefana indoneziana ny marainan'ny alakamisy 10 mey, ora ao an-toerana, fa efa voafehy ny toe-draharaha. Nitolo-batana tsy misy fepetra ireo gadra noho ny fampihorohoroana miisa 145 ary nesorina tao. Nafindra tao Nusa Kambangan, fonja manana ny fiarovana faratampony ao...

10 Mey 2018

Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?

Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao...

Namotsotra ny “mpanao gazetiny nigadra farany” i Ozbekistan

Sambany tao anatin'ny roapolo taona mahery no tsy nisy mpanao gazety migadra na dia iray aza ao Ozbekistan, izay firenena nanjakan'ny tsirefesimandidy indrindra teto ambonin'ny tany taloha.