· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2012

Aostralia: Tsy Fahafaha-mihetsika Ara-politika Mialoha Ny Fifidianana Izay Ho Mpitarika

  25 Febroary 2012

Hisafidy amin'i Julia Gillard Praiminisitra ankehitriny sy ilay nesoriny tamin'ny 2010, i Kevin Rudd, ny antoko eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana ao Aostralia. Taorian'ny volana maro nisian'ny resaka mifamahofaho, amin'ity herinandro ity ireo parlemantera avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana dia hifidy taorian'ny fifandroritana mirona mankamin'ny fahapotehany. Manangana saina fanairana ny Twitter.

Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka

  24 Febroary 2012

Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000 no nijery azy io.

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...

Libya: Mankalaza ny Herintaonan'ny Revolisiona

Mitohy ny fankalazana ao Libya, izay manamarika ny herintaonan'ny revolisiona nampiongana an'i Muammar Gaddafi, izay nitondra ny firenena nandritra ny 42 taona. Nizara ireo fankalazana sy fientanam-po  niseho  ny mpiserasera tao amin'ny tranonkala Twitter. Libyana Hamza Malek nanamarika hoe: @IbnOmar2005: Resaka tena izy: misaotra ireo rehetra tsy libyana any ivelany...

Senegal: Gidragidran'ny Polisy Sy Ny Mpanao Fihetsiketsehana Herinandro Mialoha Ny Fifidianana

  19 Febroary 2012

Herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena dia rendrika ao anatin'ny herisetra nateraky ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Abdoulaye Wade mitady fe-potoana fahatelo hofidiana indray i Senegal. Nanomana fihetsiketsehana an-dalambe hanoherana ny fitadiavan'i Wade fe-potoana hafa itondrana, izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana mivandravandra ny Lalampanorenana ny mpanohitra hatramin'ny fotoana naneken'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana ny firotsahan'i Wade

Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary

  16 Febroary 2012

Niditra an-tanety teto Madagasikara tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao. Tapaka jiro nandritra ny fotoana maharitra ny tanàndehibe roa indrindra eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina izay sambany niaina ny andron'ny mpifankatia tanatin'ny aizina ela indrindra hatramin'izay

Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Yemenita amin'ny nipetrahan'i Saleh tany New York ny Noon Arabia.