Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2017

31 Desambra 2017

Ahoana Ny Fahitan'ny Shinoa Ny Faharesen'i Robert Mugabe, Ilay Naman'ny Fireneny Efa Taloha Ela Be Tao Zimbaboe

"Rehefa tonga saina ny vahoaka, dia manjavona avokoa ireo "fahamboniana rehetra", ho atsipy any anaty dabam-pakon'ny tantara ny mpanao didy jadona."

Shina: Mety Iza Ary Izany Mandondona Ao Am-baravarako Izany?

''...Nantsoin'ny polisin'i Hangzhou tamin'ny 4 Aogositra ilay mpitsikera ny ara-tsosialy [zh], nilazàna tsy hiala ao an-tanàna ary nalaina ny solosainy.''

30 Desambra 2017

Voasakana Ny Isaacmao.com

Voasakana ny tranonkalan'i Isaac Mao, isaacmao.com araka ny voalazan'ny mpamakinay sasany. Nanolotra ny ampahany tamin'ilay tantara tao amin'ny lahatahirin'ny tranokalany, nomena ny lohateny hoe "Not isaacmao.com" i Isaac :

29 Desambra 2017

Bilaogera Egiptiana Anankiray Nanome Ny Heviny Momba ny Lahatsoratr'i Robert Fisk

Mihevitra aho fa ny lahatsoratr'i Fisk no ohatra vao haingana indrindra mampiseho fa afaka lasa sady badobado no sady mpivarotra ny rehetra ... na dia izay loharanom-baovao faran'izay mendrin-kaja be aza.

28 Desambra 2017

Ankalazain'ny Tontolom-bolongana Maraokana Ny Vehivavy, No Sady Ifanakalozany Hevitra Ny Mikasika Ireo Fady

Nanome voninahitra ilay vehivavy, izay, nankalazain'izao tontolo izao androany, ireo Maraokana blaogera. Nifanakalozan-dry zareo hevitra koa ny mikasika ireo olana saropady toy ny maha-pelaka ao anaty tontolo iainana mpandala ny nentim-paharazana.

Nandresy Tamin'ny Fifaninanana Bilaogy Tsara Indrindra Ny Global Voices

Nahazo ny loka Best of the Blogs (Bilaogy Tsara Indrindra) avy amin'ny Deutsche Welle ny Global Voices. Faly izahay fa nomem-boninahitra tamin'ny safidin'ny mpitsara ho an'ny Bilaogin'ny Tsara Indrindra Mamoaka lahatsoratra isan'andro amin'ny teny Anglisy.

27 Desambra 2017

Nosamborina Ilay Bilaogera Egyptiana

Abdolkarim Nabil Seliman dia Egyptiana mpianatra lalàna 21 taona ao amin'ny Oniversiten'i Azhar, Damanhour, mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sady solontenan'ny Copts United . Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy iray tantanany ihany koa izy ankoatra ny fanoratana ao amin'ny Civic Dialogue  .

25 Desambra 2017

Singapaoro: Nogadraina Ilay Bilaogera Noho Ny Fanaovana Fanamarihana Fanavakavaham-bolokoditra

Nogadraina ireo Singaporeana roa rehefa voampanga tamin'ny famoahana fanehoan-kevitra manavakava-bolokoditra antserasera , hoy ny tatitry ny ChannelNewsAsia .

19 Desambra 2017

Sri Lanka : Iraka Tontosa?

Tsy ho tonga miaraka amin'ny fahaverezan'ny faritra nofeheziny ny fiafaran'ny adin'ny LTTE, fa rehefa ho very ny fanohanan'ny vahoaka tamoule azy any amin'ireo faritra izay mbola iadidiany ary any amin'ireo tamoule sri lankey any am-pielezana

18 Desambra 2017

Tafatafa Niarahana tamin'ny Dr. Wan Kadir, Mpitarika Mpitaky Ny Fisintahan'i Patani

Tafatafa teo amin'ny Dr. Farish Noor, mpanoratra ara-pôlitika malaza sady iray amin'ireo manampahaizana goavana eo amin'ny Sampampianarana Aziatika, sy ny Dr. Wan Kadir, mpitarika ny BERSATU (fiarahamitantan'ireo fikambanana mpitaky fisintahana mifototra ao Thailandy Atsimo).