· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2011

Syria: Mitohy ny Revolisiona / Fanovàna (Lahatsary)

Zoman'ny Hatezerana androany ao Siria, olona an'aliny no nirotsaka an-dalambe tany amin'ny tanàna maro samihafa mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Al Assad, ary maneho firaisankina amin'i Daraa, izay miatrika famoretana tsy misy antra noho ny maha fon'ny fanoheran'ireo Siriana azy.

29 Avrily 2011

Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria

Maro ireo Ejiptiana niaraka tamin'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana tao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho an'ny fiongananan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.

27 Avrily 2011

Yemen: Iray Maty, Maro no Naratra Tamin'ireo Hetsika Tao Taiz

Anjatony maro ireo mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe tao Taiz, Yemen, androany, nangataka ny hialàn'ny fitondran'i Ali Abdullah Saleh. Araka ny tatitry ny Yemen Post, mpanao fihetsiketsehana iray no maty ary efatra no naratra noho ny tifitra tamin'ny bala tena izy rehefa nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana ny tafika repoblikana.

27 Avrily 2011