Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2019
Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa
(2010) Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny ho avin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo ... mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.
Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny
Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.
Kazakhstan: Mikapoka ny biraom-paritry ny fiarovana nasiônaly ny fanapoahana baomba famonoan-tena
Omaly, 17 Mey 2011, nanapoaka ny tenany teo amin'ny fidiran'ny biraom-paritry ny Kaomitin'ny Fiarovana Nasionaly any Aktobe, foibem-paritra iray any Kazakhstana andrefana, ny kamikazy iray (mpanao vy very ny aina). Olona efatra no naratra tao anatin'izany fipoahana izany.