Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2013

31 Jolay 2013

Mamela Ny Helok'Ireo Izay Manevateva Azy Ny Emir Ao Koety

Araka ny lalàna Koesiana, voaràra ny fanevatevana mpanjaka satria "tsy azo hitsakitsahana" ny fitondrana Emir. Maro ireo niarahaba ny famelàn'ny Emir ireo voaheloka raha nanambara kosa ny hafa fa ny zony haneho hevitra an-kalalahana no nataon'ireo voampanga sy voaheloka ireo.

29 Jolay 2013

Saodiana Mpanangana Tranonkala Migadra sy Kapohina

Olona manana foto-kevitra tsy mitovy amin'ny mpitondra ao amin'ny fireneny sady gadraina no karavasiana in-600 ary didiana akatona ny tranonkalany. Henjana rehefa miaro ny rambony tsy ho tapaka ny mpitondra.

28 Jolay 2013

Vavahady Ampiasan'i Etazonia Hitsikilovana Ny Firenena Amerika Latina i Poerto Riko

Inona no ampamoaka nolazain'i Edward Snowden mikasika ny andraikitry Poerto Riko amin'ny programam-pitsikilovan'ny NSA? Manambara antsika momba izany ny mpanoratra Angel Carrión.

27 Jolay 2013

Nanakatsakana ny Parady Voalohany ao Montenegro Ny Mpankahala Pelaka

Tokotokony ho 500 ny olona nandalovan'ny diabem-pireharehana no miezaka ny hampitsahatra ilay hetsika manatantara, araka ny nolazain'ny polisy.

25 Jolay 2013

MaheriSetra Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Ankohonana?

Nankatoavina ny lalàna fiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra an-tokantrano tao Libanona saingy nahitsy hiarovana ny rehetra ao amin'ny ankohonana. Nandresy lahatra ny mpiserasera fa tsy mbola ampy izany.

21 Jolay 2013

Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera

Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina...

20 Jolay 2013

Vehivavy Mpanohana an'i Morsi Maty Nisy Namono Tao Mansoura

Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohana an'i Morsi iray tao Mansoura notafihan'ny andian-jiolahimboto, izay nahafatesana vehivavy telo farafahakeliny sy naharatra am-polony. Maneho hevitra amin'ilay fanafihana ny Mpiserasera.

19 Jolay 2013

India : Ankizy Ampolony Namoy Ny Ainy Noho Fihinana Sakafo Misy Poizina Tany An-tsekoly

Lahatsoratr'i Chirag Sutar nadikan'i Naomy miresaka momba ny fanodikodinan-tsakafo miteraka fanafintohinana mahatonga fisiana sakafo voapoizina ity.

13 Jolay 2013

Mponin'i Jiangmen ao Shina Manohitra Tobim-Panodinana Uranium

Mponina an-jatony maro ao Jiangmen, tanàna iray manakaiky an'i Guangzhou any atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe hanohitra ny fanorenana ny tobim-panodinana uranium tamin'ny 12 Jolay 2013.

07 Jolay 2013

Morales Sy Snowden : Tezitra Noho Ny Olana Diplaomatika Ireo Filoha Any Amerika Latina

Lasa sehatra ara-diplomatika isan'ny sarotra indrindra tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tanànan'i Vienna, Aostralia, tamin'ny fotoana nanaovan'ny fiaramanidin'ilay Filoha Boliviana Evo Morales fipetrahana maika tao, nohon'ny fisian'ny fanakanana [es] an'habakabaka nataon'ny Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia azy amin'ny fiahiahiana azy ho nanampy an'ilay mpamoaka tsiambaratelom-panjakana Edward Snowden hivoaka...