· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2018

Bangladesh : Nakarina ny karama farany ambany any amin'ny sehatry ny fanenoman-damba

Taorian'ny fihetsiketsehana sy fifampiraharahana maro nataon'ny mpampiasa sy ny mpiasa, nanapaka hevitra ny hanondrotra ny karama farany ambany ho 3000 tk isam-bolana (latsaky ny 40 eoros) ny fanjakana, izay mitovy amin'ny in-droan'ny karama farany kely indrindra ankehitriny. Mandajalanja ity revolisiona ho an'ny indostrian'ny lamba ao Bangladesh ity ny blaogera.

22 Jolay 2018

Arzantina: Neken'ny Antenimierandoholona Ny Fanambadiana Eo Amin'ireo Mitovy Fananahana

Nohamafisin'ny antenimierandoholona arzantina ny lalàna iray izay mandrafitra ny miralenta eo amin'ny satan'ny fanambadiana, tsy misy fanavahana eo amin'ireo mpifankatia samihafa fananahana sy ireo mitovy fananahana ary ankoatra izay koa, ireo fitoviana zo amin'ny fananganana. Amin'ity fepetra ity, i Arzantina no firenena voalohany indrindra ao Amerika Latina nanome alalàna ny fanambadiana eo amin'ireo mpikambana mitovy fananahana.

18 Jolay 2018