Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2010
Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera
Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] fa...
Arzantina: Nodimandry ny filoha teo aloha Nestor Kirchner
Ny marainabe, ny andron'ny alarobia, ny filoha teo aloha, Nestor Kirchner, sady vadin'ny filoha ankehitriny Cristina Fernandez no nodimandry noho ny aretim-po. Tsy diso anjara tamin'ny resaka momba ity fahafatesana tampoka sy tsy noeritreretina ity ny mpamaham-bolongana Argentina.
Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand
Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Mitatitra vaovao mifanaraka amin'ny toetr'andro mikasika ny vokatra nateraky ny tondra-drano ny mponin'ny aterineto amin'ny alalan'ny...
Setroka be mandrakotra an'i Singapore
Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto
Meksika: Vehivavy 20 taona no lehiben'ny polisy vaovao ao avaratr'i Meksika ao
Vehivavy manambady 20 taona vao nianatra momba ny fanadihadiana vono-olona tamin'ny herintaona i Valles García; izy ihany koa no lehiben'ny polisy vaovao any Práxedis, Chihuahua. Eo ho eo amin'ny 100 kilometatra miala an'i Ciudad Juárez, tanàna meksikana malaza indrindra amin'ny herisetra any Meksika i Práxedis.
Shina: Loka Nobel Fandriampahalemana – Liu Xiaobo
Ora vitsivitsy izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny loka Nobel Fandriampahalemana 2010 ho an'i Liu Xiaobo ny Vaomieran'ny Nobel Norveziana noho ny tolona tsy manao herisetra lavitr'ezaka nataony hisian'ny fampanjakana ny zon'olombelona fototra any Shina. Fotoam-pifaliana lehibe ho an'ireo Shinoa tafiditra ho amin'io fironana io izao fotoana izao satria i...
Indonezia: Hatezerana an-tserasera noho ny fanafihana ny mpitondra fiangonana
Nisy nanatsatoka antsy tao Indonezia ny mpitondra fiangonana Kristiana miisa roa indray alahady izay nandritry ny fotoana nanatanterahan'izy ireo ny asa fanompoana, izany dia nahatezitra mafy ireo mponina teto amin'ny aterineto. Ho fanehoana ny tsy fankasitrahana izany dia namporisihana ireo mpikambana ao amin'ny facebook mba "tsy hanisy sary" eo amin'ny...
Koweit: Aleo ho lò ny voatabia!
Tomatoes are now eight times more expensive in Kuwait than they were a month ago - and netizens are not taking the change in prices in stride. They cannot find an explanation to why the cost of a box of tomatoes jumped from half a dinar ($1.70) to KD4 ($14)...
Kaoety: Mihinàna, Mijere dia Mivavàha
Orinasa goavana mpamokatra sarimihetsika ao Kaoety no nanambara fa mikasa ny hametraka 10 mn ho fakàna aina amin'ny ora fiasany efa voafaritra isanandro mba hanomezana fotoana ireo mpino marobe hanaovan'izy ireny ny maghreb izay fotoam-bavaky ry zareo. Nifangaro be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter naterak'ilay fanambarana
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...