
Afisin'ny #BlackProtest poloney. Nahazoana alalana avy amin'i Kasia Babis.
Manoloana ny hetsika “Black Protest (Fihetsiketsehana Mainty)” izay nameno ny aterineto Poloney sy ny kianja maro ao an-tanàna manerana ny firenena, nifidy ny lalàna mandràra ny fanalan-jaza saiky amin'ny endriny rehetra ny Parlemanta Poloney, lalàna mampiditra am-ponja ny vehivavy manala zaza sy ny dokotera manatontosa izany. Efa nitarika fihetsiketsehana marobe kokoa ny fanapahan-kevitry ny mpanao lalàna.
Tamin'ny faran'iny herinandro iny, nanohana ny volavolan-dalàna mampiadihevitra ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta, nifidy izany ary nanolotra izany any amin'ny vaomieran'ny mpanao lalàna mba hodinihana sy hahitsy raha ilaina. Nitsipaka ny andinin-dalàna sasany manaisotra ny zon'ny Poloney hanan'anaka ihany koa ny mpanao lalàna amin'ny fanalalahana ny lalàna efa misy.
Fehezin'ny Antokon'ny Fitsarana sy ny Lalàna elatra ankavanana, izay mahazo ny fanohanan'ny Eglizy Katolika Romana, ankehitriny, ny parlemanta ao Polonina.
Milaza ireo mpitsikera ny famerana ny zo hanala zaza ao Polonina fa ho “afobe ho an'ny vehivavy” ny lalàna vaovao, fiteny manondro ny amboaran-tantara foronina malaza nataon'ilay mpanoratra sady dokotera Poloney, Tadeusz Boy-Żelenski, izay namaritra ny fijaliana iaretan'ny vehivavy tamin'ny taona 1930 amin'ny tsy fisian'ny safidy raha hiteraka.
Nandahatra karaza-nofy ratsy maromaro mety ateraky ny fandraràna ny fanalan-jaza ireo mpanohitra ny volavolan-dalàna vaovao momba raha lany ny lalàna, tahaka ny fanerena ny vehivavy voaolana hiteraka ny zaza notorontoronina avy amin'izany, na fiahiahian'ny polisy hieritreritra heloka bevava ny renim-pianakaviana iray afa-jaza tsy nahy, fa hoe mety natao fanahy iniana ny fahafahan-jaza. Ny zavatra tokana miavaka arovan'ny lalàna amin'ny fanalàn-jaza, dia ny hoe ahiana mafy dia mafy ny ain'ny reny – saingy mety hampanahirana ny dokotera amin'ny fanapaha-kevitra raisina raha tena atahorana “mivantana” tokoa ny ain'ilay vehivavy bevohoka. Mety hitarika ny dokotera ho any am-ponja koa ny fandraisana “fanapahan-kevitra diso” amin'izany tranga izany.
I say NO to prison for abortion, I say NO to #Poland where miscarriage is a crime #CzarnyProtest pic.twitter.com/B4fYUEqI2Q
— Ela Żywiczyńska (@rosiomak) 21. September 2016
TSIPAHIKO ny fampidirana am-ponja noho ny fanalan-jaza aho, TSIPAHIKO ny afa-jaza lazaina ho heloka bevava eto Polonina
Nanomboka tamin'ny Alakamisy, niha nahazo vahana ny hetsika “Fihetsiketsehana Mainty”, mitombo hatrany ny fandraisana anjara antserasera
Tsy voafetra ho an'ny Poloney ihany ny fanoherana ny lalàna mampiadi-hevitra ao Polonina. Nanatevin-daharana ny fihetsiketseham-panoherana ny mpisera aterineto avy any Eoropa sy Etazonia, ka nizara sary sy lahatsoratra maneho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba ny fahafaha-misafidy ao Polonina.
Namoaka afisy amin'ny teny Anglisy i Kasia Babis, Poloney mpanao sary fandravahana, miantso ny olona hanatevin-daharana ny “Fihetsiketsehana Mainty,” mampiseho ny sasany amin'ireo mety ho voka-dratsin'ny lalàna. Tamin'ny fotoana nanoratana, efa nisy nizara in-3000 mahery tao amin'ny Facebook ny afisy, anisan'izany ilay libertariana malaza sady mpanorina ny Wikipedia, Jimmy Wales.
We stand in solidarity with Polish women facing antiquated and repressive new laws #CzarnyProtest #blackprotest pic.twitter.com/TiZz8BXLiR
— Rachel Hamada (@rachelhamada) 24. September 2016
Miray hina amin'ny vehivavy Poloney miatrika lalàna vaovao lany andro sy mpanafay izahay
Taorian'ny latsa-bato tao amin'ny parlemanta tamin'ny faran'ity herinandro ity, nanambara andiana hetsika “Fihetsiketsehana Mainty” tao amin'ireo tanàna sivy lehibe ao Polonina ny antoko elatra ankavia RAZEM tamin'ny Alahady 25 Septambra mba hanoherana ny volavolan-dalàna.
Wychodzimy jutro z domów! #czarnyprotest pic.twitter.com/o5Qro6Hsi0
— Karolina Kociołek (@karo_koc) 24. September 2016
Tsy hijanona ao an-trano fotsiny isika rahampitso!
Nandritra izany, maro ireo fivoriana firaisankina tampoka notontosaina na nokarakaraina tany ivelan'ny sisintany, anisan'izany ireo hetsika tao Londra, New York, Viena, ary Berlin.
Family photo at the end of #repealthe8th #blackprotest at @PolishEmbassyUK pic.twitter.com/1cosItdUgh
— Jakub Krupa (@JakubKrupa) September 24, 2016
Sarim-pianakaviana tamin'ny fiafaran'ny hetsika mainty
Soli- Kundgebung gegen #Abtreibungsverbot in #Polen und in #Irland findet am 28.9. in #Wien statt. https://t.co/xkJg7c8Sw6 #CzarnyProtest pic.twitter.com/1sOYgONNm2
— dieSpielfrau (@VickySpielfrau) 23. September 2016
Hetsika Facebook: Firaisankina Iraisampirenena miaraka amin'ny Vehivavy ao Irelandy sy Polonina Sioka: Hotontosaina ao Viena amin'ny 29 Septambra ny diabem-piraisankina ho fanoherana ny fandraràna ny fanalan-jaza ao Polonina sy Irelandy
Mitohy ny fampiasana ny tenirohy #czarnyprotest (“#BlackProtest,” azo jerena ao amin'ny Facebook sy Twitter) sy ny tenirohy #blackprotest (Facebook, Twitter) izay toeram-pamorian-kevitra ho fampielezana vaovao momba ny fihetsiketsehana.