Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2019
Governemanta ao Nizerià, mandidy ny hamotsorana an'i Omoyele Sowore, mpanao gazety sy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona
Ny Aogositra i Omoyele Sowore no nosamborina rehefa nampangaina ho namadika, nanao famotsiambola ary nila vaniny tamin'ny filoha Muhammadu Buhari tao Nizerià. Nidoboka am-ponja izy na nisy aza ny didim-pitsaràna navoaka nandidy ny hamotsorana azy.
Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi
Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.
Mpaka tàhaka an'i Greta Thunberg niantso an-telefaona niezaka hamandrika ny Praiminisitra Makedoniàna
'Fanafihana mifangaro' no ilazan'ny governemanta azy
Olona 3 tapitrisa tonga nandatsa-bato, resin'i Hong Kong ny isa ambony indrindra tamin'ny fandraisana anjara hatrizay
Raisina ho tondro goavana maneho ny hevitr'ireo olompirenena manoloana ny krizy pôlitika misy amin'izao fotoana ny voka-pifidianana, satria an-tapitrisany ireo mpandatsa-bato misafidy amin'ireo mpifaninana mpomba ny andrimpanjakana sy ny mpandàla ny demaokrasia.