Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2013
Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?
Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra, izy rehetra ireny dia samy maneho ny naha-sarobahàna ilay raharaha.
Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana
[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity] Nankinin’ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco (@rblancopoet), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no...
Tondradrano Ao Indonezia : Fepetra Hamehana Ao Jakarta
Nataon'ny tondradrano goavana fahirano i Jakarta, renivohitr'i Indonezia. Napetraky ny Governora Joko Widodo ho amin'ny toeran'ny hamehana ny renivohitra hatramin'ny 27 Janoary. Voatatitra fa amin'ireo sobadistrika 44 ao Jakarta, 27 no tondraky ny rano.
Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?
Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012, hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe...
“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana
Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena
Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy
Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo: les...
Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana
Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana...
Però: Voatsiratsira Indray I Wendy Sulca, Olo-malaza Amin'ny YouTube
“Miarahaba an'i Armando Esteban Quito [midika vinaninany hoe “manambatra dabilio”]… sy Jorge Nitales [jor-fitaovam-pananahana]… oroka be ho an'i Elsa Capunta [fandranitana pesilihazo]… mpankafy voalohany anareo avy aty Narnia izahay…”. Toy...
Matin'ny Tifitry ny Drones Amerikana ny Mpitarika ny Taliban Maulvi Nazir
Voatifitry ny drone amerikana ny mpitarika ny antoko mitam-piadiana Taliban antsoina hoe Maulvi Nazir. Niteraka ahiahy teo amin'ny Pakistaney ny fomba handraisan'ny olom-pirenena sy ny miaramila ao Pakistan rehefa mandre izany vaovao izany.