Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2012
Ejipta: Mohamed Morsi No Filoha Vaovaon'i Ejipta
Mohamed Morsi no voatendry ho filoha vaovaon'i Ejipta. Tsindrian-daona ireo mpiondana aterineto miandry izay ho fanambaran'ilay filohan'i Ejipta manaraka.
Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”
Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona mikasika ny fampijaliana sy ny fanavaozana ifotony ny Lalampanorenana. Ankehitriny i Togo dia anaty tetezamita politika taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2005 nolavin'ny betsaka ka nahatonga ho eo amin'ny fitondrana an'i Faure Gnassingbé Eyadema, zanaky ny filoha teo aloha Gnassingbé Eyadema. Misy fihetsiketsehana iray nomanina hatao ny 18 Jona.
Ejipta: Milaza Fandresena Ny Mpirotsaka Ho Filoha Avy Amin'ny Firahalahiana Silamo
Nanambara i Mohamed Morsi, mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, fa izy no nandresy tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Ejiptiana, nandresy an'ilay praiminisitr'i Hosni Mubarak, Ahmed Shafiq, nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety nataony tamin'ny 4 maraina tao Cairo ny 18 Jona
Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly
Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.
Arabia Saodita : Ny Fiantraikan'ny Fahafatesan'i Nayef
Ny fahafatesan'ny Printsy mpandova fanjakana ao Arabia Saodita sady Minisitry ny Atitany, Nayef bin Abdulaziz Al Saud, 78 taona, dia nambara ny 16 Jona. Maneho hevitra momba ilay vaovao ireo mpiondana aterineto.
Yemen: Iza No Hitàna Ny Fitsinjaram-Pahefana Ao Yemen Taorian'ny Fodiamandrin'ny Printsy Nayef ?
Maneho hevitra mikasika ny fahafatsan'i Nayef bin Abdulaziz Al Saud, Printsy mpandova fanjakana sady Minisitry ny Atitany reo Yemeni mpiondana aterineto. Izy no lehilahy matanjaka nitàna ny fitsinjaram-pahefana tao Yemen ary ambara ho niketrika ny fanisahana ny Al-Qaeda hiala tao Saudi Arabia ho any Yemen. Voatanisa ao anaty Wikileaks ihany koa izy ho nanondro an'i Yemen ho firenena tsy mankaiza.
Shina: Li Wangyang Gadra Politika Noho Ny Raharaha Tiananmen, Hita Maty Nihantona
Li Wangyang, Shinoa iray gadra politika izay nandany betsaka tamin'ny androm-piainany tany am-pigadrana, dia hita maty ny marainan'ny Alarobia 6 Jona 2012, taorian'ny resadreska nataony ho an'ireo mpampahalala vaovao avy any ivelany mikasika ny vonomokan'ny 4 Jona (Kianja Tiananmen) tamin'ny 1989 sy ny fiainan'ireo gadra politika ao Shina. Ny fahafatesany dia niteraka ahiahy mikasika fitaka.
Ejipta: Bitsika Enti-manao Hosoka Fanadinana Any Amin'ny Lisea
Ambaran'ireo bilaogera Ejiptiana fa ampiasaina hanapariahana an-tsokosoko ny fanontaniana amin'ny fanadianana any amin'ny Lisea ankehitrny ny media sosialy. Dia io media io ihany izay nambara fa nandrehitra ny rvolisiona Arabo ankehitriny no ampangaina ho manome fahafahana ny mpianatra hanao hosoko.
Ejipta: Voatafika Ny Diabe Mitaky Ny Hamaranana Ny Fanohintohinana Ara-Pananahana
Nampalahelo fa notafihana andian-dehilahy teo amin'ny Kianja Tahrir ny diabe mitaky ny hampitsaharana ny fanafintohinana [fikitikitihana tsy mahazo alalana] ny vehivavy tamin'ny 8 jona 2012. Mitantara ny zavamisy ao amin'ny Twitter ny nanatri-maso.
Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika
Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra. Tsy...