Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Aogositra, 2008

26 Aogositra 2008

Palestina : Hafaliana noho ny namotsorana ireo voafonja

Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan‘i Condoleezza Rice any Israely. Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity...

21 Aogositra 2008

Ejypta : Taorian'ny afo tao amin'ny antenimiera

Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano. Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina : They are happy seriously happy in a way you can’t imagine ,...

Ejypta : Nirehitra ny tranon'ny antenimiera

Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo. Nitantara amin'ny...

18 Aogositra 2008

Shina : mampalahelo ny tongotr'i Liu

Voatery niala an-daharana ilay mpihazakazaka kalaza, tompon-daka eran-tany amin'ny 110 metatra misy fefy tamin'ny lalao Olympika tany Athena, Liu Xiang androany maraina (ora any Shina) noho faharariana tamin'ny tongony. BEIJING (AP) — Defending Olympic champion Liu Xiang of China pulled out of the 110-meter hurdles Monday, walking away from the...

15 Aogositra 2008

Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?

Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45 amin’ireo firenena 192 mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Firenena Mikambana no nankato tanteraka ny Repoblikan’i KosovoSinganina amin’izany ny firenena maromaro ao...

14 Aogositra 2008

Zeorizia, Rosia: Tsy maharo ny siviliny ny fitondrana

Vao tafaverina rehefa nihitsoka tany Zeorizia ny manao gazety Okiraniana Ihor Lutsenko – mampiasa ny anarana LJ igordaily – Ity eto ambany ity ny nosoratany tao amin'ny bolongany (UKR): […] It was difficult to get back. Many of our journalists got stuck there, because there are no return tickets, and...

Libanona: Fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Tripoli

Nahafaty olona 11, ka miaramila ny 9 amin'izany, sy naharatra 30 hafa ny fanapoahana baomba nataon'ny mpampihorohoro tany Tripoli, Libanona. Nangonin'i Moussa Bashir ny fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana Libaley tamin'ity fanafihana ity.

11 Aogositra 2008

Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna

Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany,...

09 Aogositra 2008

Shina: Mpihetsiketsika vahiny ampian'ny fitaovana 2.0

Nisyfihetsiketsehana ho fanafahana an'i Tibet indray nitranga androany Sabotsy tany Beijing, ary hatreny amin'ny kianja malalaky ny Tiananmen mihitsy izany. Nanatrika izany ilay mpamahambolongan-dahatsary avy amin'ny Qik.com noneck ary azonao jerena izany..