Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2019
Hong Kong: An'aliny maro ireo mpanao hetsipanoherana ilay lalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka no tonga nibahana ny làlana mankao amin'ny foiben-toeran'ny governemanta
Ny marainan'ny 12 Jona, vitan'ireo mpanao hetsianoherana ny nanemotra ny fandinihana ilay volavolan-dalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka saika hataon'ny Filankevitra mpanao lalàna
Manamarika ny kihon-dalana eo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny fisamborana an'ilay mpanao gazety fanadihadiana Ivan Golunov
Niteraka fihetsiketseha-panohanana tsy fahita firy avy amin'ny lafin'ny sehatry ny politika Rosiana rehetra ny fisamborana an'i Golunov.
Mandoto ny lazan'i Japana amin'ny fihazana trozona i Neo Zealandy, hoy ny haino aman-jerim-panjakana Japoney
Miha-mafana ao amin'ny andrim-panjakana Japoney ny fanoheran'i Neo Zealandy ny fihazana trozona ao amin'ny Oseana Atsimo, ary maneho ny tsy fankasitrahany ao amin'ny aterineto manoloana ny valintenin'ny fitondrana ireo vahoaka japoney izay manaraka akaiky ny raharaha mahakasika izany.
Egipta : Ny tetikasa “Mitrandraka ny fady” manodidina ny fanimbinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy

Tsy tapaka mikarakara atrikasa fanofanana momba ny fanabeazana ara-pananahana ao Egipta i Ahmad Awadalla, no sady mampiasa ihany koa ny bilaoginy mba hizaràna ny zavatra niainany tamin'io sehatra io. Mpikambana azy ao anatin'ny tetikasa “Exploring Taboos” izy ary tsy tapaka mamoaka anaty lahatsoratra ireny zavatra niainany ireny, toy ireo fifanakalozandresaka nifanaovany tamin'ny ankizy manodidina ny Fanimbinana ny Taovam-Pananahan'ny Vehivavy (MGF)