· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2018

Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina

Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina  ka nianjera tany an-dranomasina.

27 Marsa 2018

An-tapitrisany Ireo Nidina Eny An-dalambe Mba Haneho Fanohanana Ny Tolon'ny Vehivavy Eo Amin'ny Tantaran'i Espaina

Olona dimy tapitrisa mahery (mety ho enina tapitrisa mihitsy aza) no nanao fitokonana tany Espaina tamin'ny 8 martsa mba hampiseho ny fanohanan'izy ireo ny tolona feminista amin'ny hetsika goavana iray izay heverin'ny maro ho fotoana manan-tantara eo amin'ny ady ho amin'ny fitovian-jòn'ny lahy sy ny vavy.

21 Marsa 2018

Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis

Na teo aza ny fandraràna natao tamin'ireo mpanao gazety napetraky ny junta Birmàna mpitantana ny firenena, dia nivoaka ihany ny olona ary naka sary ny zava-misy marina niainan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza voajanahary. Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka.

18 Marsa 2018