Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2015
Tafika Meksikana Nampangaina Ho Nitifitra Olon-tsotra Nandritra Ny Fanafihana Tany Michoacán
Nitatitra ny media tsy miankina fa nitifitra olon-tsotra tamin'ny vondrom-piarahamonina teratany any Ostula ao amin'ny fanjakana Michoacán ny Tafika Meksikana. Milaza ny media iray eo an-toerana fa nisy ankizy lahy iray 12 taona maty.
Navotsotr'i Bahrain ny Mpikatroka Ny Zon'Olombelona Iray Handefasana Iray Hafa Any Am-ponja Indray
Navotsotr'i Bahrain ilay mpikatroka ny zon'olombelona, Nabeel Rajab androany alina. Navaozina ho 15 andro kosa ny fanagadrana ilay mpitarika politika Ibrahim Sharif. Misy teti-panorona ataon'ny fitondrana amin'ny mpanohitra politika ve?
Mpanao Gazety Voasambotra Noho Ny Fitantarana Ny Fipoahana Baomba Tao Ivelan'ny Foibe Italiana Ao Kairo
Lehilahy iray no namoy ny ainy ary mpanoratra gazety maromaro no voasambotra taorian'ny fipoahana baomba fiara tao ivelan'ny foibe Italiana ao afovoan'i Kairo.
VAOVAO MAFANA: Fifampiraharahana Ara-Nokleary Manatantara Ho an'i Iran Vita Tao Viena
"Anio no mety ho faran'ny fanantenana momba ity lohahevitra ity. Saingy eo am-panombohana toko vaovao amin'ny fanantenana isika.."
Maty Tamin'ny Faha-75 Taonany ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana Teo Aloha
Manomboka amin'ny filazalazana azy ho olompanjakana hendry ka lasa mpanavakavaka sy mpankahala vahiny, naneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana teo aloha Saud Al-Faisal omaly 9 jolay ny mpiserasera
VAOVAO MAFANA: Mpanao Gazety Ethiopiana Dimy Navotsotra, Saingy Mbola Am-ponja ny Ambiny
Ao anatin'ny firotsahan'ny hafaliana sy ny tsi-finoana tamin'ny fanafahana ireo bilaogera, NIfandrisika ny mpanohana hitazona ny "tantrummin" hafatra mandrapahatongan'ny tsy fisian'ny mpanao gazety migadra intsony ao Ethiopia.
Fihetseham-Bahoaka Manohitra Ny Fikasana Hampiakatra Ny Hetra Ao Ekoatora
Somary nampihemotra vonjimaika ny fikasan'ny Filoha hametraka hetra vaovao amin'ny fandovàna sy ny tombony azo avy amin'ny renivola ny fitsidihan'ny Papa Francis an'iEkoatora, niampy ireo hetsi-panoherana ny governemanta.
Tonga Ny Media Sosialy Hanavotra Satria Poretin'ny Hafanàna Tsy Mbola Nisy Toa Azy i Karachi
Raha mamely mafy ny ampahany maro amin'i Pakistana ny onjan-kafanàna, miady mafy miatrika ny firohotan'ireo marary niharan'izany tonga manatona azy kosa ireo hopitalim-panjakana ianjadiam-pahanterana. Bitsika iray avy amin'i Faisal Kapadia no manampy hanamaivamaivana ny toe-draharaha ao Karachi.