· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2019

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

Ny Fahitan'i Isaac Mao ireo Hetsipanoherana tany Sina

  12 Avrily 2019

Tao anatin'izay roa andro monja izay, nanamafy ny fanarahamaso ny aterineto ny governemanta Sinoa mba hisorohana ireo antso rehetra hanao hetsika vaovao. Omaly, nampitandrina ny mpitondratenin'ny Ministeran'ny Fiarovam-bahoaka fa tsy ara-dalàna avokoa ny fikonokononana an-tambajotra na ny fosafosa mikasika ny fivoriana.

PangeaDay: Ireo Lahatsary Hanovàna Izao Tontolo Izao Rehefa 10 May

10 may 2008 tamin'ny 6ora hariva GMT, lahatsary 24 no nalefa nandritra ny hetsika PangeaDay, avy aminà faritra enina, ary amin'ny fiteny fito samihafa eto an-tany, ho hita avy amin'ny Aterineto, fahitalavitra na finday, ka tokana ny tanjona : hahafantarana ny fiainan'ny hafa, hifantohana amin'izay mampitovy antsika, fa tsy izay mampiavaka,hiasàna ho an'ny fandriampahalemana.