· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2011

Ejipta: Mipoaka Ny Hatezerana ao Tahrir

Nirefotra indray ny kidraka tao amin'ny kianja Tahrir, ivon'ny hetsi-panovàna Ejiptiana, ny alina teo (28 Jona) ary niitatra hatramin'ny anio (29 Jona). Kaonty maro samihafa no miely any anaty aterineto mikasika ny zavatra tena nitranga marina sy ny fomba nitsimbadihan'ny hetsika, ireny rehetra ireny izay nifanandrinan'ny fianakavian'ireo maritiora maty nandritra ny hetsi-panoherana - sy ny antson'izy ireo hisian'ny rariny, ny mpanao hetsi-panoherana, ny jiolahim-boto sy mpanakorontana niaraka tamin'ny polisy. Ny tatitra dia milaza fisianà baomba mandatsa-dranomaso nalefa tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary ny mpanao fihetsiketsehana (na jiolahim-boto) namaly tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktails Molotov - tsy dia voatery loatra ho toy izay ny fandehany.

Myanmar: Baomba nipoaka tany amin'ny tanàna telo

  24 Jona 2011

Baomba telo no nahazo ny tanàna telo lehibe tany Myanmar androany. Tsy nisy ny naratra araka ny tatitra. Nadikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Tan ny tatitra vitsivitsy amin'ny teny Birmana izay manome ny vaovao voalohany momba ny fahapotehana naterany

Kolombia: Halatra tao amin'ny Foiben'ny Parlemanta Andeana

  14 Jona 2011

Tamin'ny faha-7 ny volana jona, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Andeana no voaroba tao amin'ny foiben'ny rafitra tao Bogotá, Kolombia. Ny Parlemanta Andeana no solontena mpanara-maso ny Fokonolona Andeana, fikambanam-paritra ahitana an'i Bolivia, Kolombia, Ekoatera ary i Però ka ny tanjona dia ny hisian'ny “fampandrosoana matotra”, mirindra kokoa sy mahaleo tena, manerana ny faritra ...

Espana: Mivoatra ny Hetsi-Panoherana, Saingy Mbola Mitohy Mafàna Ny Raharaha

  14 Jona 2011

Ireo fanentanana nanomboka tamin'ny 15 May tao Espana dia nivadika niandàlana ho famoriam-bahoaka tao an-toerana, fivorivoriana ary karazana fandraisan'andraikitra maro samihafa nanerana ny firenena. Saingy mbola avo dia avo ny maripàna eny an-dalambe eny. Tamin'ny 11 Jona, tao Madrid renivohitra, niafara tamin'ny firotsahana an-tsehatry ny polisy namely ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitorevahana iray.

Ejipta: Fisokafan'ny vavahady ifandraisan'i Rafah sy Gaza

Nanokatra ny toerana fandalovana ao Rafah mankany amin'i faritr'i Gaza i Ejipta androany, mamela ny olona hivezivezy malalaka any Ejipta indray tato anatin'i efatra taona lasa. Ny sisintany, izay vavahady lehiben'i Gaza mankany amin'ny tontolo ivelany, dia nosokafana tsindraindray nandritra ny fitondran'ilay filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak. Ity manaraka ity dia fihetseham-po vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter momba ity fivoarana faramparany ity.

Koety: Mpampiasa Twitter Shiita Voasambotra

Nasser Abul , tovolahy Shiita, avy ao Koety, nosamborina, araka ny fantatra, noho ny nandefany Tweet tao amin'ny vohikala fitorahana bilaogy kiritika, Twitter. Ity no fihazonana mpampiasa Twitter voalohany noho ny tweet nalefany teto amin'ny firenena. Nahatonga fisavorovorona tao amin'ny Twitter izany fisamborana izany, ka betsaka ireo nitaky ny famotsorana Azy.