Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2015
Tondroin'i Koety ho Saodiana ilay Nanapoaka Tena tao amin'ny Moskea Shiita
Fantatr'i Koety ho Saodiana ilay nanapoaka tena ary nosamboriny ny mpamiliny taorian'ny fanafihana mampihorohoro ny moskea shiita iray nahafatesana olona 27 sy naharatrana olona mihoatra ny 200.
Orinasa Rosiana Mpandoto Resaka Nanaiky Hanonitra Mpiasa Taloha, Nefa Izy Vao Nanomboka

Nanaiky ny hanonitra ny mpiasa tao aminy teo aloha noho ny fampiasana olona tsy ara-drariny ny lazaina ho orinasa rosiana "mpandoto resaka" iray, saingy nikendry ny hamoaka ivelany ilay orinasa sy ny fomba fiasany ny kasain'ilay "mpandoto resaka" taloha.
Antontan-taratasy Miisa 500,000 Izay Tsy Tian'ny Governemanta Saodiana Ho Hitan'ny Olom-pirenena Naporitsak'i Wikileaks
"Tsy faly ny fanjakana Saodiana ka tonga hatramin'ny fanakànana ny olom-pireneny mba tsy hiraharaha ilay alokà angon-drakitra, nanofahofa azy io ho toy ny asa mampidi-dozan'ireo "fahavalom-pirenena"
28 no Maty tamin'ny Fanafihana ny Tora-Pasika Fialan-Tsasatra Tao Sousse, Tonizia
Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, Tonizia. Ity no fanafihana faharoa tao anatin'ny efa-bolana.
Noraràn'i Rosia ny Arsivan'Internety ‘Wayback Machine’

Nosakanan'ny governemanta Rosiana ny Internet Archive, tranonkala iray miorina ao San-Francisco izay manolotra ilay Wayback Machine malaza, izay mamela ny mpiserasera hijery pejintranonkala voatahiry.
Tafita Amin'ny Ampahavalon-Dàlana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Vehivavy Ny Matildas Waltz Avy Any Aostralia
"Tsinjoko ho lasa lavitra ny #AUS amin'ity Amboara Eran-tany ity. Eo am-pilalaovana ny lalaony tsara indrindra ry zareo ary tiako izany."
Mibahan-Toerana ao amin'ny WikiLeaks avy ao Arabia Saodita Farany teo i Iran
"Asehon'ny telegrama diplomatika Saodiana ny fieritreretana be loatra an'i Iran sy ny Shiisma."
#SaudiCables: Inona Ny Fantatsika Momba an'i Libanona Hatreto?
Ny #SaudiCables [telegrama saodiana] momba an'i Libanona dia mampiseho ny fielezan'ny kolikoly sy ny fitontoganan'ny maoraly.
Ibrahim Sharif, Gadra Politika Bahraini Nafahana Rehefa “Nahavita Ny Saziny”
To anatin'ny tsy nampoizina tokoa, nafahan'i Bahrain i Ibrahim Sharif, politisiana nofonjaina tamin'ny Martsa 2011, taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanoherana ny governemanta. Miroso mankany amin'ny tena fanavaozana ve i Bahrain?
Ataon'i Kremlin Ho Toy ny Sosoa Voatapo-dRano Ve ny ‘Zo Hohadinoina’?

Voalaza fa nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny manampahefanan'i Kremlin sy ny Yandex, marimaritra iraisana mety hampahalemy ny drafi-dalàna manaraka izay hampiditra ny RuNet hanana "zo hohadinoina."