Niakanjo Mainty Ny Poloney Hanoherana Ny Volavolan-dalàna Manasazy Ny Fanalan-jaza

Malaza tao Polonina androany ny tenirohy #czarnyprotest (“FihetsiketsehanaMainty”), ka olona an'arivony no nizara ny sarin'izy ireo miankanjo mainty hanoherana ny lalàna manameloka ny karazana fanalan-jaza rehetra sy hanoherana ny fanamafisana ny sazy efa henjana ao amin'ny lalàna miady amin'ny fanalan-jaza ao amin'ny firenena.

Te hanana zo fototra MAHAOLOMBELONA fotsiny ny tovovavy

Manohitra ny habibiana atao amin'ny vehivavy ankehitriny ny fianakaviana manontolo.

Ny fandraràna ny fanalan-jaza saika amin'ny lafiny manontolo, nomanin'ny vondrona mpandinika (think-tank) miaraka amin'ny fanohanan'ny Fiangonana Katolika sy ny antokon'ny fitondrana elatra havanana PIS, dia mampiditra sazy an-tranomaizina hatramin'ny dimy taona noho ny “famonoana zazakely notorotoroana tao an-kibo” .

Ny famelana ny fanalan-jaza dia natokana ihany ho amin'ny toe-javatra manokana tahaka ny aina atahorana ho an'ny reny, tsy ekena kosa ny toe-javatra hafa rehetra mety mahatonga ny fampitsaharana ny vohoka, anisan'izany ny tranga fanolanana, firaisana amin'olom-pady, na zazarano tsy ara-dalàna. Hampiharina amin'ny vehivavy (sy ny tovovavy) mikasa hanala zaza sy ny dokotera manatontosa izany ny lalàna raha lany.

Maro ireo mpiserasera no maneho ny fanoheran'izy ireo ny lalàna ary miantso ny lalàna ho “feno habibiana” sy fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy.

Fihetsiketsehana ao #Warsaw manohitra ny volavolan-dalàna manohitra ny fanalan-jazan'ny governemanta #PiS

Notanterahana teo anoloan'ny Lapan'ny Parlemanta Poloney ny “hetsika mainty” mivantana natomboky ny antoko elatra havia RAZEM (“miaraka”), nandritra ny adihevitra momba ny volavolan-dalàna nataon'ny mpanao lalàna tamin'ny 11 Septambra. Nandritra izany adihevitra izany, nihataka tamin'ny volavolan-dalàna ny antoko politika rehetra. Amin'ny Zoma 23 Septambra no handatsa-bato ofisialy ny mpanao lalàna .

Tsy mila dingana manaraka intsony! Manohana ny #BlackProtest ny Wroclaw mpikambana ao amin'ny RAZEM

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.