Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Aogositra, 2015
Mihetsika Ny Kroaty Manoloana Ny Fanambaran'ny ISIS Ny Fanapahan-doha An'i Tomislav Salopek
Mihetsika ireo mpampiasa media sosialy any Kroasia, Ejipta, ary eran-tany manoloana ny vaovao mandeha momba ny fahapahan-doha nataon'ny ISIS tamina Kroaty iray mpila ravinahitra tany Ejipta.
Nahazo Olona 100.000 Ny Fihaonambe Bersih Maharitra 34 Ora Tao Malayzia Izay Manohitra Ny Kolikolin'ny Governemanta
"Ho an'ny maro, zavatra nanome herim-po ho azy ireo mba hanofinofy ny Bersih 4. Mba ahafantarana fa azo atao tokoa ny mampisy Malayzia marina sy ara-drariny."
Omen'ny Hetsika “Maimbo ianareo” 72 Ora Hamaliana Ny Fangatahany Ny Governemanta
Nanome fe-potoana 72 ora ho an'ny governemanta ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana mba hamaliana ny fitakian-dry zareo na hiatrika hetsi-panoherana goavana kokoa amin'ny Talata
Mijirika Indray Ny Tafika (Ny Azy Ihany) i Rosia
Manetry ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ny Rosiana mpijirika "Anonymous International" noho ny fomba ratsy fanao amin’ny tsy fahampian’ny fiarovana ny torohay ka nisian’ny fiporitsahan’ny tahirin-kevitra saropady izay voalaza fa nalefa tamin'ny alalan'ny tolotra fandefasana mailaka maimaim-poana .
Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona
Setriny ankerisetra no niandry ny mpanao fihetsiketsehana milamina #YouStink izay nahavoriana olona tao Beirota tamin'ny asabotsy 22 aogositra mitaky ny hamahana ny olan'ny fanariam-pako ao Libanona.
Nanivana Tena Ho Fiarovana Ny Mpitondratenin'i Poutine Ve Ny Fitaovam-Pikarohana Goavana Indrindra Ao Rosia?
Miverina indray ety anaty vaovao ny mpitondratenin'i Vladimir Poutine, taorian'ny nahitàn'ireo mpampiasa aterineto tamin'ity herinadro ity fa mety ho nanivana tena ny Yandex, ilay fitaovam-pikarohana malaza indrindra ao amin'ny firenena, mba hiarovana an'i Peskov.
Voalohany Teo Amin'ny Tantarany I Porto Rico No Tsy Nahaloa Ny Trosany
Toa mampisalasala ny hoavy satria haingana loatra amin'ny fandaniana vola ny governemanta.
Kolikoly be volombavan'i Rosia
Andro iray taorian'ny mariazin'ny sekreteran'i Putin mifandray amin'ny mpanao gazety, dia namoaka porofon'ny fanaovan'i Dmitry Peskov famataranandro an-tanana mitentina farafahakeliny $620,000 ilay mpikatroka malaza amin'ny fiadiana amin'ny kolikoly.
Habaka Fandraharahana Norahonan'ny Mpanao Sivana Rosiana Noho Ny Lahatsoratra Miresaka Bitcoin
Nilaza ny manampahefana androany fa tsy maintsy manaisotra na manova ny lahatsoratra navoakany momba ny "bitcoins" ao anatin'ny telo andro ny tranokalam-baovao iray misahana fandraharahana ao Rosia .