Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2017
Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera
I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003. Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, [...] ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera
Nahazo Ny Lokan'ny Human Rights First i Nora Younis Bilaogera Egyptiana
Nahazo ny Annual Human Rights Award ilay bilaogera Egyptiana sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Nora Younis.
Rahonan'ny Polisy Amin'ny Alàlan'ny Twitter Hoe Hosamborina ireo Maldiviana Bilaogera Any Ivelany
Maldiviana efatra mpitoraka bilaogy sady mpikatroka izay mipetraka any ampitan-dranomasina ho nandefasana didy fisamborana avy any amin'ny polisy tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny fahitana azy dia toa nokendrena izy ireo satria manondrotra ny tsy fironana amin'ny finoana, na izy ireo tsy mpino.
Kosta Rikà: Fampisehoana, Fitroarana sy Ahiahy
Nandefa ny zava-nitranga tamin'ny Fampisehoana tamin'ny Alahady ilay mpanao gazety Cristian Cambronero ao amin'ny bilaogy Kosta Rikàna malaza Fusil de Chispas, notantarainy tamin'izany fa nirotaka ireo tanora ary nanimba ny toeram-pianarana ao amin'ny Universidad Latina ao amin'ny renivohitr'i San José.
Polisy Sariitatra Shinoa Manao Fisafoana Amin'ny Tranonkala
Hanomboka hisava ireo tranonkala voasoratra anarana ao amin'ny lohamilina Beijing ny polisy ao amin'ny renivohitr'i Shina, Beijing amin'ny fampiasàna sarimiaina polisy manampahefana mipoitra amin'ny aterineton'ny mpiserasera .
“Fotoanan'ny Baolina Kitra Lehibe Indrindra tao Qatar…”
Faly be ireo mpankafy baolina kitra ao Qatar noho ny ekipa-pirenena Qatari nandresy tamin'ny isa 1-0 manoloana an'i Iraka nandritra ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany. Greeker namaritra izany ho "fotoanan'ny baolina kitra lehibe indrindra tao Katar ...", hoy izy nanoratra:
Iraka: Lahatsarin'ny Orampanala Tany Baghdad
Niseho ny tsy nampoizina tao Iraka: latsaka tao an-drenivohitry ny tanàndehibe Baghdad ny orampanala ary nanararaotra ny fakan-tsary ny olom-pirenena mba haka sary ity zava-mitranga sambany teo amin'ny fiainana ity.
Fitantarana Manokana: Fandriampahalemana Afovoany Atsinanana 2007
Nibahana tamin'ny lohatenim-baovao iraisampirenena nandritra ny dimampolo taona mahery ny Resaka Afovoany Atsinanana. Anjaran'ireo mpiserasera ao amin'ny faritra ankehitriny ny mampiseho ny fomba fijerin'izy ireo ny zava-mitranga mikasika ny fiainan'izy ireo, ny fiarovana sy ny fitonian'ny firenena izay onenan'izy ireo.
Mirehitra i Gresy
Efa rentsika rehetra amin'ny vaovao amin'izao fotoana izao fa nirehitra i Gresy. Tonga tao amin'ny tanàna fahiny Olympia ny afo, toerana nahaterahan'ny Olaimpika sy misy ny Mozea Olaimpika, izay mampiantrano ireo angona vakoka fahagola (arkeolojika) lehibe indrindra ao Gresy.
Libanona: Firenena Latsaka An-katerena..Na Tsia
Ao anatin'ny korontana ara-politika i Libanona rehefa tsy nahavita nifidy ny mpandimby ny filoha Emile Lahoud ny parlemanta androanny.