Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2021
Yemen: Olona miisa 16 maty tamin'ny fanafihana ny Masoivoho Amerikana
Olona miisa 16 no maty rehefa nisy nanafika tamin'ny fiara voasesika baomba sy balafomanga ny masoivoho Amerikana tany Sana'a, Yemen. Tsy lavitra ny fipoahana ny bilaogera iray.
Misaona ny fahafatesan'ny mpanoratra an-gazety iray i Georgia
Lesko no amantaran'ny mpiara-miasa aminy azy ao amin'ny TV Pirveli, hita faty tao an-tranony tamin'ny 11 jolay tao Tbilisi ny mpanoratra an-gazety sady cameraman Aleksandre Lashkarava, 37 taona.
Nesorina tamin'ny asany tamin'ny didim-panjakana navoaka andro alina ny sojabe notendren'ny governemanta
Taorian'ny hetsi-panoherana enim-bolana dia nesorina tamin'ny toerany ny rektora notendren'ny governemanta Melih Bulu tamin'ny didim-panjakana navoaka ny alina izay nambara tamin'ny gazety ofisialy.
Antoko mpomba an'i Eorôpa no mitarika ny fifidianana alohan'ny fotoana ao Môldavia
Ny antoko PAS tarihan'i Maia Sandu no "voalohany amin'ny antoko mpomba an'i Eorôpa tao anatin'ny tantaram-pifidianana tao amin'ny firenena ka nahazony maro an'isa."
Nofoanana tao anatin'ny fanafihana mahery vaika ny diabem-pireharehana tao Tbilisi
Diaben'ny Fahamendrehana, Diabem-pireharehana nokarakaraina tao Tbilisi no nofoanan'ny mpikarakara tao anatin'ny herisetra sy fanafihana ny mpikarakara ny hetsika sy ny mpanao gazety.
Hetsika manoloana ny masoivoho Tseky ao Makedonia Avaratra manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ny Roma sy ny herisetra ataon'ny polisy
Nampahatsiahy ny fahatsiarovana ny tranga iray teo an-toerana nahitana ny polisy nidaroka ny olom-pirenena foko Roma tamin'ny volana Septambra 2020 ihany koa ny hetsika.
Niteraka resabe ny fipoahana tao amin'ny ranomasina Caspienne
Nahasarika ny sain'izao tontolo izao ny fipoahana tamin'ny 4 Jolay tao amin'ny ranomasina Caspienne. Ny volkano fotaka tao ambany rano no nahatonga ny fipoahana raha ny filazan'ny tompon'andraikitra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.