
Mpanao fihetsiketsehana ao Caracas mitaky fahalalahana maneho hevitra tamin'ny 2007. Sary:Andrès E.Azpurua. Navoaka Creative Commons
Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy tany an-toerana ny diabe nokarakarain'ny mpanohitra Venezoelana izay nitranga ny voalohany Septambra. Ny haino aman-jery tsy miankina toy ny Pitazo, ReporteYa sy Efecto Cocuyo dia mitatitra ny hetsika amin'ny fampiasana ny tenirohy toy ny #TomadeCaracas (Fandraisana an'i Caracas) sy ny #1SeptReclamoDeLibertad (VoalohanySeptambraHitakianaFahafahana) raha mampiasa ny #ChavismoQuierePaz (MilaFilaminanaNyChavismo) kosa ny mpanohana ny governemanta.
#SepaQue Así empieza la #TomaDeCaracas en los puntos de salida (FOTOS) http://goo.gl/KsiZu6
— Efecto Cocuyo (@EfectoCocuyo) September 1, 2016
Toy izao no fanombohan'ny ‘Fandraisana an'i Caracas’ avy eny amin'ny toeram-piaingana (SARIPIKA)
Efa tsapa nandritra ny andro vitsivitsy mialoha ny fanomanana ny diabe ny fihenjanana, raha manomboka mameno tsikelikely ny renivohitra ireo vondrona teratany avy amin'ny fanjakana Amazonas, any atsimo indrindra ao Venezoelà .Nihahenjana ny toe-draharaha rehefa ampangain'ny mpanohitra ny fihetsiketsehana ho manomana fanonganam-panjakana amelezana ny governemantan'i Nicolas Maduro ny mpanohitra.
Milaza ny mpanao fihetsiketsehana fa manohitra ny fiharatsian'ny korontana ara-toekarena misy amin'izao fotoana izao ry zareo ary mikatsaka ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka hamaranana ny fe-potoam-piasan'ny Filoha Nicolas Maduro. Efa elaela izany i Venezoelà no mandalo krizy ara-toekarena sy ara-politika, izay nihamafy tao anatin'ny roa taona .
Andro mialoha ny fidinana an-dalambe, nanolotra “antsafa politika” tao amin'ny facebook izay nozaraina ampahibemaso hiresahana mikasika io diabe io ny mpanao gazety sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Luis Carlos Diaz , sy ny mpanao gazety, Naky Soto , .
Nandritra ny fanomanana ny hetsi-panoherana, notaterin'ny famoaham-baovao tahaka ny Efecto Cocuyo ihany koa ireo fihoaram-pahefana sy sakana azo heverina ho avy amin'ny manam-pahefana:
#Ahora: Así bajan y requisan a los buses en la Panamericana. pic.twitter.com/3rQFbepgC6
— Efecto Cocuyo (@EfectoCocuyo) September 1, 2016
Ankehitriny : Izao no fanalana olona amin'ny fiara fitateram-bahoaka amin'ny Lalambe Panamericana pic.twitter.com/3rQFbepgC6
#Ahora: En la Panamericana frente al IVIC hay un embudo. Bajan a personas en buses, las requisan pic.twitter.com/ZNUvuEIusO
— Efecto Cocuyo (@EfectoCocuyo) September 1, 2016
#Amin'izao fotoana izao:teo anoloan'ny IVIC manaraka ny Panamericana, misy ny fampijanonana fifamoivoizana. Avoaka ny fiara fitateram-bahoaka ny olona ary gejaina ireo fiara pic.twitter.com/ZNUvuEIusO
Noraiketin'ny haino aman-jery hafa tany an-toerana ireo sakantsakana maro teny an-dalana, tamin'ny filazana fa nosakanan'ny Mpiambina Nasionaly ireo mpanao fihetsiketsehana avy any anivon-tanin'i Venezoelà mitodi-doha ho any an-drenivohitra:
Manifestantes que van a la #TomaDeCaracas rompieron el piquete policial en el peaje de Yaracuy y lograron pasar. pic.twitter.com/JIsNRdW6LI
— El Nuevo País y Zeta (@enpaiszeta) September 1, 2016
Mpanao fihetsiketsehana mandeha ny fiaran'ny ‘Fandraisana an'i Caracas’ tao Yaracuy Turnpike nandrava ny sakana nataon'ny polisy ary afaka nanohy ny dia