Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2016
Fiaramanidina EgyptAir Ho Any Kairo Naodina Nakany Sipra
Piratim-piaramanidina iray no voalaza fa nanodina an-keriny ny sidina Egypt Air teny an-dàlana avy any Alexandria ho anyKairo, ary nanery ilay sidina tokony hiodina ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca tany Sipra rehefa nilaza izy fa mitondra fehin-kibo mety mipoaka eny aminy
Tapitra Ny Fakàna An-keriny Ny EgyptAir ; Votsotra Daholo Ny Mpandeha
"Ela ny ela ka afaka isika hankalaza ny Arabo voalohany mpaka ankeriny nambara ho tsy mpampihorohoro, fa olona tsy milamina ara-tsaina. :) #EgyptAir," hoy ny bitsik'i Patrick Baz.
Nakatona Ny Tranokalam-baovaon'ny Antoko Komonista Iray Ao Shina, Olona 20 Nosamborina Noho Ny Fitakiana Ny Fialan'i Xi Jinping
Na dia nivoaka tamin'ny tranonkala nandritra ny adiny roa monja aza ilay taratasy misokatra, dia hita ho fanoherana mivantana ny fitantanan'i Xi avy ao anatin'ny antoko izany.
Ny Fiantraikan'ny Tambajotra Sosialy Amin'ireo Fifidianana Savaranonando Taona 2016 Ao Nizera
Natao tamin'ny alahady 21 febroary 2016 teo ny fifidianana ankapobeny fihodinana voalohany tao Nizeria. Ny faha-20 martsa ny fihodinana faharoa, mba hahafahana hifidy ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena.
Syriana Manamarika Ny Tsingerintaona Fahadimin'ny Revolisiona Amin'ny Alalan'ny Fihetsiketsehana Bebe Kokoa
Mihoatra ny dimy alina sy roa hetsy ny isan'ny Syriana maty nisy namono hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana dimy taona lasa izay. Na dia eo aza ny fielezan'ny famoniana, dia niverina an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana.
Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena
Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”
Valo volana taorian'ny nidinana an-dalambe hanoherana ny fitombon'ny fako misavovona ao Libanona, tsy mbola mivaha ihany ny olana. Niverina an-dalambe indray ireo mpanao hetsipanoherana androany 12 Martsa.
Nesorin'ny Marvel Ao Amin'ny ‘Captain America’ Sombin-Tsarimihetsika Vaovao Amin'ny Teny Rosiana Ny Mariky Ny Saina Rosiana
Tao anatin'ny ora vitsy monja, dia voamariky ny mpisera aterineto ny tsy ahitana amin'ny tanàn'ilay miaramila amin'ny voalohany indrindra amin'ny sombin-dahatsary-fampahafantarana ilay marika famantarana rosiana hita ao amin'ny voatra Ôrizinaly.
Amazonia Peroviana: Miparitaka Indray Ny Solika Ao Amin'ny Lohasahandriak'i Rio Marañon
Tratry ny fiverimberenan'ny fiparitahan'ny solika ny faritr'i Marañón, mitete avy amin'ny fantsona any avaratr'i Però. Mitohy ny hamehana ara-tontolo iainana.
Nisy Namono Tao Honduras i Berta Cáceres Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Sy Mpitarika Teratany
Taona maro nitolomana hiarovana ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina teratany no namonoana ilay tompondakan'ny zon'olombelona Berta Caceres tao Honduras tamin'ny 3 marsa.