Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2008
Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha
Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no...
Malawi : Fisamborana olo maro noho ny “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena
Araky ny tatitra voaray dia manamboninahitry ny tafika sy mpitarika ny antoko mpanohitra maromaro no nosamborina tany Malawi noho ny fiheverana azy ireo ho “nanomana fanonganam-panjakana.” Kondwani Munthali izay sady mpanao gazety no mpiblaogy Malawiana dia mihevitra fa mandalo vanim-potoana mahaliana ary madiva hangotraka ny rano [ilomanozan'ny] pôlitika any Malawi. Avy any Lilongwe izay itoerany...
Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina
Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny...
Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra
Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo...
Myanmar: Milona ny asa famonjena
Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo...
Japàna : Fandaharana mitatitra ny famonoana ho faty ara-pitsarana, nalefa 53 taona taty aoriana
Horoampeo sy horonantsary izay nalaina nandritra ny famonoana ho faty ara-pitsarana notanterahina tany Japàna 53 taona lasa izay no nalefan'nyradio Nippon Cultural Broadcasting tamin'ny 6 May sy ny fandaharana Super Morning show-n'ny fahitalavitra Asahi tamin'ny 29 Aprily, no namoha ny fota-mandrin'ny Famonoana ho faty ara-pitsarana any Japàna eo anivon'ireo mpiblaogy....
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...