Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Septambra, 2015
Raràn'ny Rosia Ny Fandefasana Ny Lahatsarin'ilay Fehinteny Mirehidrehitra Nataon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Tao Amin'ny Efitrano Fitsaràna
Andiana lahatsary maromaro miresaka politika ao amin'ny Yuotube ary manasongadina ny antso ho fikatrohana hanohitra an'i Putin no noraràn'i Rosia tsy ho azo alefa. Indrindra indrindra, noraràn'ny manampahefana ireo lahatsary avy amin'ilay lehiben'ny mpanohitra misy ny fehinteny nanambaràny nandritry ny raharaham-pitsaràna azy
Namono olona 12 ahitana Meksikana mpizahatany 8 i Ejipta dia niala tsiny avy eo
Meksikana mpizahatany valo miaraka amin'ny efatra hafa no maty voatifitry ny angidimby tao amin'ny toerana iray malaza eo amin'ny samy mpizahatany, ao amin'ny Tanihay Andrefana, ao Ejipta. Fa nahoana no lasibatra ry zareo?
Kiobàna LGBT Mpikatroka Mafana Fo Mandray Ho Andraikitra Ny ‘Fehezan-dalàn'ny Fianakaviana’ Izay Mitahiry ny Fomba Hatrizay
Nahatonga resabe momba ny tsy maha-araka ny toetrandro intsony ny Fehezan-dalàna ho an'ny Fianakaviana Kiobana ilay lahatsoratra nalefa tao amin'ilay gazetim-panjakana Granma.
Polisy Serba Sy Zazalahy Siriana Velon-tsiky: Mampiseho Amin'i Eoropa Ny Nandraisana Am-pifaliana Ireo Mpitsoa-ponenana
Sary iray ahitàna polisy Serba mitrotro zazakely Siriana iray no nahazo dera avy amin'ireo mpampiasa media sosialy ary antenain-dry zareo mba ho fihetsika arahan'ireo polisy hafa koa
Tadiom-bovoka mandrakotra an'i Palestina, Isiraely, Jordania, Syria ary Libanona
Misy tadiom-bovoka goavana manavatsava ny ilany andrefana amin'i Afovoany Atsinanana omaly sy anio. Indreto ny sary sasantsasany nifampizarana mampiseho ny vaikany
Voalaza Fa Maty Ilay Reninà Palestiniana Zaza Menavava Maty May Nandritry Ny Fanafihan'ny Voanjo Tao Cisjordanie
Maty noho ny ratra nateraky ny fanafihana fandoroana nanjo ny tranony nataon'ireo voanjo Israeliana tamin'ny 31 Jolay i Riham Dawabsheh. Maty nandritra ilay fanafihana i Ali, zanany lahy 18 volana , niteraka hatezerana tany amin'ilay faritra bodoin'i Israely.
Niala ny filoha Goatemalteka rehefa nivoaka ny didy fampisamborana
Rehefa niala teo amin'ny toerana maha-filohan'i Goatemalà azy i Otto Pérez Molina dia nitolo-tena teo amin'ny fitsarana ary nalefan'ny mpitsara tany amponja mandrapivoaka ny fehinteny manaporofo ny anjara andraikiny amin'ny kolikolim-padintseranana aminà tapitrisa dolara
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...