Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2010
Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana
Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.
Puerto Rico: Mitoetra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana
Taorian'ny fifaranan'ny fitokonana roa andro nataon'ny mpianatra, nitoetra tao amin'ny "campus" foibe an'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana, voalohany izao hatramin'ny 1981, izay mialoha ny fitokonan'ny mpianatra amin'ny 14 Desambra. Mitobatobaka ny fanehoan-kevitra amin'ny tontolon'ny blaogy sy ny media sosialy.
Israely: Tanin'ny Afo sy ny Ranomandry
Toetrandro ririnina henjana tokoa no namely ny faritra isan'ny lehibe indrindra tao Israely tamin'ity herinandro ity (Avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 15 Desambra 2010), narahana tafio-drivotra nahery vaika, orana ary tafiotran-dranomandry, nitera-pahavoazana nanerana ny firenena manontolo. Tany Avartra, rakotra ranomandry matevina izay tsy mbola hita teto amin'ny firenena tao anatin'ny 20 taona ny tendrombohitra Hermon. Izany dia andro vitsy taorian'ny nandravàn'ny doro ala ny faritry ny tanànan'i Carmel, izay niteraka famoizana aina 43 sy fahasimban-javatra vinavinaina ho hatramin'ny 100 na 120 tapitrika sekely.
Iran: “Voaheloka ho faty ny mpamorona tranokalam-betaveta iray”
Miatrika sazy fanamelohana ho faty any Iran i Saeed Malekpour, mpanangana tranonkala, noho izy voapanga ho nanaingo tranonkala natao ho an”olon-dehibe”. Tranonkala Iraniana vitsivitsy no nanoratra fa Malekpour no tena...