Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2017
Fifidianana Filoham-pirenena ao Shily; Amin'ny 15 Janoary ny Fihodinana Faharoa
Andro iray tena mampientanentana ho an'i Shily androany, satria Shiliana maherin'ny 6 tapitrisa no hifidy filoha, loholona ary solombavambahoaka.
Takian'ny ao Bahrain Ny Fandraketana Ny Tranonkala ; Manahy Ireo Blaogera
Angatahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Bahrain ireo rehetra tranonkala Bahraini - izay ao anatiny na ivelan'ny firenena - mba hisoratra anarana ao amin'ny Ministera. Ho tomponandraikitra ara-dalàna amin'ny votoaty zarainy eo amin'ny tranonkalany ireo Mpitantana Tranonkala, ary hiatrika fanenjehana eo ambanin'ny lalàna Fanaovana gazety sy Fizarana Votoaty ao amin'ny firenena raha toa ka tsy misoratra anarana.
Ahoana No Ahafahantsika Mampiroborobo ny Fifanakalozan-dresaka Japoney-Sinoa Amin'ny Aterineto?
Manana sosokevitra? Hevitra? Liana ny hanampy? Mba tsindrio eo amin'ny rohy ''fanehoankevitra'' dia mba hampahafantaro anay azafady.
Ny Tetikady ”Fahafahana Miparitaka”
Mba manontany tena aho hoe inona ireo mason-tsivana sy fepetra ho ampiasaina mba ''hametrahana sy hampiharana politika momba ny fampiasana blaogy sy ny votoatin'ny blaogy.''
Mitoraka Bilaogy Avy any Togo – Fijery An'ireo Hetsi-panoherana Aorian'ny Fifidianana
Raha niaina tao anatin'ny hitsakitsaka sy darok'ireo miaramila ianao, niaritra fitondrana jadona izay efa nisy hatramin'ny talohan'ny nahaterahanao ary niaretanao nandritra ny 26 taona mahery tamin'ny fiainanao, hijery amin'ny fomba fijery hafa mihitsy ianao.
Blog for Human Rights!
Human Rights Watch dia mandrisika ireo bilaogera mba hampiasa ny RSS -dry zareo sy hanoratra bilaogy momba ny zon'olombelona
Tsy Hita Tany Kambodza I Eddie Gibson
Tamin'ny volana Oktobra 2004, tsy hita i Eddie Gibson, 19 taona rehefa nandeha tany Kambodza avy any Thailandy. Tsy nisy olona nahafantatra ny toerana misy an'ity mpitsangatsangana Anglisy ity mihitsy hatramin'izao. Efa nandalo tany Kambodza ireo ray aman-dreniny ary nanome valisoa ho an'izay manome vaovao momba an'i Eddie Gibson izy ireo.
MENA: Fotoam-panontaniana Taorian'ny Fanafihan'i Israely Ny Sambo Flotilla Mifandray Amin'i Gaza
Mameno ny aterineto ireo andian-tsioka vaovao momba ny fanafihan'i Israely ny sambo flotilla mifandray amin'i Gaza. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolon'ny Twitter izay mamintina ireo fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera manerana izao tontolo izao, ao ireo sasany manontany izay mbola iandrasantsika valiny.