Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2014
Nipoahan'ny Baomba Fanindroany Ny Tranon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Zimbaboeana Tendai Biti
Nisy nanapoaka baomba ny tranon'ny minisitry ny Teti-bola teo aloha tao Zimbaboe, Tendai Biti ny marainan'ny 25 Febroary 2014, araka ny nambaran'ireo mpiserasera Twitter sy trano fampahalalam-baovao
Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana
Maty noho ny ratran'ny tifitra nahazo azy tamin'ny lohany i Genesis Carmona. Izy no olona niharan'ny herisetra farany amin'ilay hetsi-panoherana ao amin'ny firenena.
Lozam-Piaramanidina Tany Nepal : Maty Daholo ireo Mpandeha 18
Betsaka ny lozam-piaramanidina ao amin'ny fitaterana an'habakabaka Nepale tao anatin'ny taona vitsivitsy, fianjerana fiaramanidina mahatsiravina roa isan-taona no hita nanomboka tamin'ny 2010 ka hatramin'ny 2012.
Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika
Fasana nafenina no niafaran'ilay mpanao gazety Meksikana Gregorio Jiménez de la Cruz. Mbola tsy tonga any amin'ny fitsarana ireo namono azy.
Ny Lapa Tsara Tarehin'i Yanukovitch Ao Rosia
Ekena fa efa zava-mahazatra an'ireo Rosiana ny ohatra omen'ireo mpisehatra politika any aminy amin'ny resaka harena sy ny tsy fahaiza-manavaka ny ratsy sy ny tsara, satria mitete tsy tapaka ety anaty aterineto ny sarin'ny toeram-ponenan'izy ireo.
Madagasikara Mbola Miandry Praiminisitra, Governemanta Vaovao
Feno katroka ny volana raha nandray ny toerana mahafiloham-panjakana vaovao eto Madagasikara azy ny filoha voafidy Hery Rajaonarimampianina, mbola tsy misy ny marika ahafantarana izay ho praiminisitra vaovao ary governemanta...
#EuroMaidan Mpamonjy Voina Voatifitra Teo Amin'ny Tenda, Mibitsika hoe : “Velona aho!”
Voan'ny tifitry ny mpitifitra miafina teo amin'ny tenda i Olesya Zhukovskaya, ary mbola nahavita nibitsika hoe "maty aho". Fahamaivamaivanana goavana no tsapa nanerana izao tontolo izao nony re fa velona soa aman-tsara ihany izy.
Araho Mivantana Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan Ao Okraina
Niafara tamin'ny famoizan'ain'olona goavana ny fifandonana teo amin'ny olom-pirenana an'hetsiny sy ny herim-pamoretan'ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana tao Okraina ny harivan'ny 18 Febroary.
Fihetsiketsehana Noho Ny Fahafatesan'ireo Mpifindra-monina Tao Ceuta, Espaina: “Tsy Misy Olona Tsy Ara-dalàna”
Nomelohin'ireo mpifindra-monina sy fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maromaro ny ny Guardia Civil, nilaza izy ireo fa tsy mba namonjy ireo mpifindra-monina na nampandre ny mpamonjy voina andranomasina mba hamonjy ireo olona tao anaty ranomasina ny Guardia Civil
Lalao Mankany Amin'ny Helo: Manome Lamosina Ny Sochi Ary Mitodika Any Okraina Ny Rosiana
Androany, taorian'ny sarintsarim-pitoniana fohy nisy, niverina ny herisetra teny an-dalamben'i Kiev, niteraka fikisahana henjana tamin'ny asa fanaon'ny RuNet. Indrindra fa maneho endrika ady an-trano ifanaovan'olon-tsotra ny sary azo avy any Okraina.