· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2008

Ghana : miandry izay ho filohany

Tato anatin'ny 2 taona farany no nahitana ny fifidianana tsy nanjary indrindra taty amin'ny ilany atsimon'ny faritra Sahara aty Afrika. Ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera tany Kenya tamin'ny herintaona dia...

30 Desambra 2008

Israely : Ampiomanana hiady

Ny 27 desambra, taorian'ny fifanolanana izay tsy nitsaha-nihamafy hatrany taorian'ny fahataperan'ny 6 volana nifanarahana hametrahana fiadiana teo amin'i Israely sy Hamas dia nanafika an'habakabaka an'i Gaza ny tafika Israeliana (FDI)....

29 Desambra 2008

George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro

Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho. Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny.

17 Desambra 2008

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.

13 Desambra 2008